Fiteny etiôsemitika

(tonga teto avy amin'ny Fiteny etiôpika)

Ny fiteny etiôsemitika na fiteny afrôsemitika na fiteny etiôpika na fiteny abisibniana dia fianakaviam-piteny tenenina indrindra ao Etiôpia sy ao Eritrea. Izy ireo sy ny fiteny arabo atsimo taloha sy ankehitriny no mamorona ny sampana atsimon' ny fianakaviam-piteny semitika. Ny tena lehibe indrindra amin' izy ireo dia ny fiteny geezy (izay tsy misy mpiteny intsony fa voatahiry ho fiteny litorjika), ny fiteny tigrinia (fiteny ôfisialin' i Eritrea), ny fiteny amharika (fitenin' ny fitanantanan-draharaham-panjakana ao Etiôpia), ny fiteny tigrea ary ny fiteny goragea maro. Soratana amin' ny abidim-baninteny geezy ireo fiteny ireo.

Mizara sampana roa ny fiteny etiôpika, dia ny sampana avaratra sy ny sampana atsimo. Ny fiteny ao amin' ny sampana avaratra dia ahitana ny fiteny geezy, ny fiteny tigrinia, ny fiteny tigrea ary ny fiteny dahalika. Ny fiteny ao amin' ny sampana atsimo dia ahitana ny fiteny amharika, ny fiteny argoba, ny fiteny harary, ny fiteny goragea atsinanana (izay mizara ho fiteny silt'e sy fiteny zoay), ny fiteny gafata (fiteny maty), ny fiteny goragea avaratra (izay mizara ho fiteny sôdô sy fiteny gôgôta), ny fiteny inora, ny fiteny mesmesa (fiteny maty), ny fiteny meskana, ny fiteny sebata bety goragea.

Jereo koa

hanova

Fiteny semitika sasany

Sokajy ao anatin' ny fianakaviam-piteny semitika

Sampam-piteny ao amin' ny finakaviam-piteny hamitô-semitika