Fiteny berbera atsinanana

Ny fiteny berbera atsinanana dia sampana ao amin' ny vondrom-piteny berbera, izay ampiasain' ny mponina ao Libia sy ao Ejipta. Ny vondrom-piteny berbera atsinanana dia ahitana ireo fitenim-paritra any Libia, afa-tsy ny fitenim-paritr' i Zouara (mazàna sokajiana ho isan' ny fitenim-paritra zeneta) sy ny fitenim-paritra toarega any atsimo-andrefana, ary koa ny fitenim-paritra berbera tokana ao Ejipta, ny fiteny sioy. Ny fanasokajiana ny fiteny nafosy ao anatin' ity vondrona ity dia tsy misy marimaritra iraisana.

Ny vondron' ireo fiteny berbera atsinanana, izay nampidirin' i Kossmann ho anisan' ireo fiteny berbera avaratra ho anisan' ny fitohizam-pitenim-paritra, dia ahitana zana-bondrona roa:

  • ny zana-bondrona voalohany dia ahitana ny fiteny gadamesy sy ny fiteny taojilita, izay miavaka noho ny fitehirizany ny feo prôtô-berbera *β ho β (nanjary h na nanjavona any an-kafa);
  • ny zana-vondrona faharoa ahitana ny fiteny nafosy, ny fiteny sioy ary ireo fitenim-paritra berberan' i Fezzan, mizara fanavaozana maromaro miaraka amin' ireo fiteny berbera avaratra, toy ny fahaverezan' ny feo prôtô-berbera *β sy ny fivoaran' ny *ă ho ə.

Jereo koa hanova