Fiteny ao Roanda
Ny fiteny ao Roanda dia ahitana indrindra ny fiteny kiniaroanda, ny fiteny frantsay, ny fiteny anglisy ary ny fiteny soahily. Ny fiteny kiniaroanda (izay ao amin’ ny fianakaviam-piteny banto) sy ny fiteny frantsay ary ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialin’ i Roanda. Ny fiteny soahily izay fiteny ifaneraseran’ ny vahoaka ao Afrika Atsinanana dia tenenina ao Roanda koa. Mihalany kosa ny mpampiasa ny fiteny neerlandey.
Fiteny afrikanaHanova
Ny fiteny kiniaroandaHanova
Ny 99,38%n’ ny mponina dia miteny kiniaroanda tamin’ ny taona 2002. Tamin’ ny taona 2012 izany dia nihena 67,7 %.
Ny fiteny soahilyHanova
Tamin’ ny volana Febroary 2017 dia nolanin’ ny Antenimieram-pirenena roandey ho fitenim-pirenena koa ny fiteny soahily noho ny fisian’ ny Roandey niverina avy any amin’ ny firenena miteny soahily any atsinanana taorian’ ny fandripahana. Tamin’ ny taona 2002 dia miteny soahily ny 2,97 %n’ ny Roandey.
Fiteny eorôpeanaHanova
Ny fiteny frantsayHanova
Tamin’ ny taona 2002 dia 3,87 % no miteny frantsay. Tamin’ ny taona 2012 dia miteny frantsay ny 11,4 %n’ ny Roandey.
Ny fiteny anglisyHanova
Ny disadisa teo amin’ i Roanda sy i Frantsa hatramin’ ny nisian’ ny fandripahana tamin’ ny taona 1994 sy ny fiverenan’ ny Totsy maro avy any Oganda miteny anglisy sy soahily ary ny fiarahan’i Roanda amin’i Etazonia dia nanosika ny fitondram-panjakana hanao ny fiteny anglisy ho fitenim-pirenena nanomboka tamin’ ny taona 2003. Tamin’ ny taona 2002 dia 1,95 %n’ ny Roandey no miteny anglisy. Nanomboka tamin’ ny taona 2010 dia saika ny fiteny anglisy irery no fiteny enti-mampianatra ao Roanda. Naverina ho fiteny enti-mampianatra ny fiteny frantsay manomboka amin’ ny kilasy fahefatra ao amin’ ny ambaratonga voalohany. Tamin’ ny taona 2012 dia miteny anglisy ny 14,7 %n’ ny Roandey.
Ny fiteny neerlandeyHanova
Mihalany ny mpampiasa ny fiteny neerlandey ao Roanda.