Fivavahana ao Roanda

Ny fivavahana ao Roanda dia ahitana ny fivavahan-drazana izay vitsy mpanaraka, ny kristianisma izay be mpanaraka indrindra ary ny fivavahana silamo. Misy koa ireo Roandey tsy mivavaka.

Fiangonana katôika ao Rwamagana

Ny fivavahana kristiana hanova

Ny Kristiana no betsaka indrindra ao Roanda (74 %) ka ny 65 % no Katôlika fa ny 9 % Prôtestanta. Araka ny fanisana natao tamin’ ny taona 2012 kosa dia ny 43,7 %n’ ny mponina dia Katôlika, ny 37,7 % Prôtestanta, ny 11,8 % Adventista, ny 1,9 % Vavolombelon’ i Jehovah. Amin’ ireo Prôtestanta ao Roanda dia betsaka ny Loterana izay nandova ny fivavahana tamin’ ny misionera alemàna teo anelaelan’ ny taoa 1885 sy 1919.

Ny fivavahana silamo hanova

Ny 9 %n' ny vahoaka roandey dia Miozolmàna. Araka ny fanisana natao tamin’ny taona 2012 kosa dia ny 2 %n' ny mponina no Miozolmàna, izany hoe nisy fihenana.

Ny fivavahan-drazana hanova

Ny fivavahan-drazana roandey, izay sokajina ho animista, dia mampianatra ny fisian’ ny andriamanitra tokana (antsoina amin’ ny anarana hoe Imana) izay mijery ny toerana sy ny toetran’ ny olombelona. Ao amin’ izany fivavahana izany dia mitana ny anjara toerana lehibe ny fitantarana am-bava, ny fitenenana sy ny ohabolana, ary ny hira sy ny dihy miaraka amin’amponga. Izany dia mifamatotra amin’ ny fiainan’ ireo ntaolo roandey izay mpiantafika sy mpamboly sy mpiompy ary koa mpihaza sy mpanjono. Araka ny fanisana natao tamin’ ny taona 2012 dia 17 % no manaraka ny fivavahan-drazana.

Jereo koa hanova