Maro ny fiteny ao Oganda. Ny telo amby efapolo amin' ny teny tenenina ao dia azo zaraina ho fianakaviam-piteny efatra, dia ny fiteny banto, ny fiteny nilôtika, ny fiteny sodanika afovoany ary fiteny koliaka roa. Amin' ireo rehetra ireo dia fitenin' ny vahoaka tompon-tany ny 41 ary ny roa tsy fitenim-bahoaka. Ny fiteny anglisy, izay nolovana tamin' ny vanimpotoan' ny fanjanahan-tany sy ny fiteny soahily no fiteny ofisialy.

Sarin-tanin' i Oganda maneho ny fitsinjarana ara-paritry ny fianakaviam-piteny misy ao.

Ny fiteny anglisy sy ny fiteny soahily no fiteny ofisialin’ i Oganda. Maro koa ireo fiteny banto (toy ny fiteny loganda) sy ny ireo fiteny nilôtika (toy ny fiteny akôly sy fiteny loô) tetenin’ ny mponina ao Oganda. Ireo Sinoa miisa 10 000 eo ho eo monina ao Oganda dia miteny sinoa mandarina. Miteny hindy sy tamoly ary bengaly ny Indiana.

Jereo koa hanova