Fiteny mandarina

(tonga teto avy amin'ny Fiteny sinoa mandarina)
Mandarina
官話 na 官话 (guānhuà)

Isan'ny mpiteny 1,3 miliara
Faritany teny ofisialy any  Sina,  Taiwan ary  Singapaoro
Sata anisan'ny teny ofisialin'ny Firenena Mikambana

Ny fiteny mandarina (amin' ny teny sinoa 官話), izay tsorina indraindray amin' ny hoe "fiteny sinoa", dia iray amin' ireo karazam-piteny sinoa tenenina ao amin' ny tapany avaratra-atsinanan' i Sina an-tanibe. Ny fiteny mandarina no be mpiteny indrindra maneran-tany. Soratana amin' ny alalan' ny soratra sinoa (sinôgrama) sy ny abidy latina (piniiny) ary amin' ny alalan' ny bopomofo koa ny fiteny mandarina.

Noho io fiteny io ampiasaina ho fitenin' ny fanabeazana dia heverina fa eo amin' ny 1 300 000 000 eo ho eo no mahay miteny azy ankehitriny. 800 000 000 eo ho eo no Sinoa manana io fiteny io ho teny nibeazana (fiteny voalohany nianarany).

Ianaran' ny Sinoa rehetra ny fiteny mandarina nefa misy ny Sinoa zokinjokiny sasany izay tsy miteny mandarina fa miteny amin' ny fiteny sinoa hafa toy ny fiteny kantôney. Misy fianakaviambe sinoa any ivelan' i Sina izay mampiasa ny fiteny mandarina ampianarina amin' ny lisea sy oneversite maro manerana izao tontolo izao.

Fanononana ny teny sinoa mandarina

hanova
  • Ny fanononan' ny fiteny sinoa mandarina dia mifototra amin' ny fanononan' ny firokin' i Beijing, izay manana voambolana sy fanononana miforotra amin' ny firoky sinoa tavaratra.

Miisa efatra ny haabom-peo misongadiana amin' ny fiteny sinoa, izay teny ara-kaabom-peo:

  • Ny haabom-peo voalohany : 妈 (ma1);
  • Ny haabompeo faharoa : 麻 (ma2);
  • Ny fahatelo : 马 (ma3);
  • Ary ny fahefatra : 骂 (ma4)

Misy ihany koa ny atao hoe haabom-peo tsy mitongilana izay mety antsoina hoe haabom-peo fahadimy. Io haabom-peo fahadimy io dia hita amin' ny fanononan' ny sinôgrama 吗 (ma na ma5) izay midika "ve".

Ankoatry ny haabom-peo dia 1 277 ny isan' ny vaninteny ananan' ny teny sinoa mandarina. Izay ahafahana manavaka am-bava ny teny ampiasaina indrindra amin' ny fiteny sinoa.