Fiangonana kristianan' i Ziôna

Ny Fiangonana Kristianan' i Ziôna (anglisy: Zion Christian Church) na Fiangonana Ziônista dia fiangonana kristiana ara-pilazantsara karismatika. Ao Moria amin' ny tanàn' i Polokwane ao amin' ny faritr' i Capricorn ao amin' ny faritanin' i Limpopo any Afrika Atsimo no misy ny foiben-toerany. Isan' ireo atao hoe fiangonana kristiana afrikana tsy miankina izy.

I Engenas Lekganyane

I Engenas Lekganyane, izay mpikambana tao amin' ny Apostolic Faith Mission of South Africa, no nanorina ilay foangonana tamin' ny taona 1924.

Tamin' ny taona 2001 dia nisy mpino miisa 4,9 tapitrisa ny tao amin' io fiangonana io tao Afrika Atsimo, ary 7 tapitrisa izany manerana an' i Afrika sy Eorôpa. Izy no fiagonana lehibe indrindra amin' ireo atao hoe fiangonana ziônista.

Jereo koa hanova