Ny tôkôisma dia firehan' ny kristianisma ara-pilazantsara manana ny foibeny ao Angôla, naorin' i Simão Gonçalves Toco.

Tao amin' ny faritanin' i Uíge tamin' ny taona 1918 no teraka i Simão Gonçalves Toco, ka rehefa avy nivoatra tao amin' ny fiangonana batista, dia namorona ny fikambanana ara-pivavahany manokana tamin' ny taona 1949. Nihevitra an' io fikambanana io ho mampidi-doza ny mpanjana-tany pôrtogey ka nanenjika sy nanafay ny mpikambana tao sady nanao sesitany matetika an' i Simão Gonçalves Toco, valohany tao amin' ny faritanin' i Namibe, avy eo tamin' ny fiantombohan' ny ady ho amin' ny fahaleovan-tenan' i Angôla: tany Açores (nosy maro any avaratra-andrefan' i Pôrtogaly) izay nanaovany ny asan' ny mpanampy ny mpiandry jiron-tseranana. Nody tany Angôla izy tamin' ny taona 1974 ary maty rehefa afaka folo taona taorian' izany.

Isan' ireo fihetsiketsehana ara-pivavahana lehibe ao Angôla ny tôkôisma ankehitriny. Mifanakaiky firehana amin' ny kimbangisma izy.

Jereo koa hanova