Jan Hus
Ankapobeny
Anarana Jan Hus
Teraka 1 Janoary 1369
Maty 15 Jolay 1415
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa :
Fiainana manokana

I Jan Hus dia mpanoratra teraka ny 1 Janoary 1369 ary maty ny 15 Jolay 1415.

Mpitoriteny hatramin' ny taona 1402 tao amin' ny sapelin' i Bethléem ao Praga i Jan Hus sady nitoriteny niaraka tamin' ny olona hafa koa momba ny fiverenana amin' ny Fiangonana apôstôlika sy ara-panahy ary mahantra. Nihevitra i Jan Hus fa ny fanavaozam-piangonana dia tokony handalo amin' ny fahefan' ny olon-tsotra tsy mpitondra fivavahana. Izany filazana izany dia nisy akony teo amin' ireo andriana ambony izay nahatsapa ny fahafahany haka ny fananan' ny fiangonana.

Nisy koa ny fihetsiketsehana milenarista niseho, izay niresaka ny alin' ny mpaminany sandoka sy ny antikristy, dia ireo Tabôrita izany. Nihamafy hatrany ny firesahana ny amin' ny fotoana farany, ka maro ireo te hahita indray ny Fiangonana voalohany. I Jan Hus dia nampangain' ny mpampianatra alemàna tao Praga. Ny mpanjaka Venceslas I dia nanohana an' i Jan Hus tamin' ny voalohany, avy eo rehefa niteraka ny fitroarana tamin' ny taona 1412 hanoherana ny fivarotana indolzansa (izay nandraisan' i Venceslas anjara) dia tsy nanohana azy intsony. Voantso tao amin' ny Kônsilin' i Kônstansa tamin' ny taona 1414 mba hanamarina ny zavatra ataony i Jan Hus ka nankao tokoa; naiditra am-ponja izy satria niaiky fa nanao fampianaran-diso, ka nodorana velona tamin' ny taona 1415. Ny mpianany atao hoe Hierônimô avy any Praga izay noheverina fa namerim-pahadisoana dia nodorana koa tamin' ny taona manaraka.

Jereo koa hanova

Rohy ivelany hanova

  • Ao amin'i Freebase: [1]
 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.