Fianakaviam-piteny abkazo-adigiana

Ny fiteny abkazo-adigiana na fiteny kaokaziana andrefana dia iray amin' ny fianakaviam-piteny ao amin' ny vondrom-piteny kaokaziana, miaraka amin' ny fianakaviam-piteny kartaveliana sy ny fianakaviam-piteny nako-dagestaniana. Ny faritra niavian' ireo fiteny ireo dia any amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Kaokazy. Hatramin' ny taonjato faha-19 dia namorona vahoaka am-pielezana any Torkia sy any Israely sy any Jordania ary any Siria ny fifidrà-mionin' ny mponina maro. Ity fianakaviam-piteny ity dia ahitana ny fiteny abkaza, ny fiteny abaza, ny fiteny obika, ny fiteny tserkesa, ny fiteny kabarda (na karbadiana), ny fiteny besleney (na besney) ary ny fiteny adigeana.

Sarintanin' ny faritra misy ny fianakaviam-piteny kaokaziana avaratra-andrefana.