Fianakaviam-piteny kartveliana

(tonga teto avy amin'ny Fianakaviam-piteny kartaveliana)

Ny fiteny kartaveliana na kartveliana dia iray amin'ireo fianakaviam-piteny ao amin'ny vondrom-piteny kaokaziana miaraka amin'ny fianakaviam-piteny abkazo-adigiana sy ny fianakaviam-piteny nako-dagestaniana. Ireto ny fiteny ao amin'io fianakaviam-piteny io: ny fiteny jeorjiana, ny fiteny lazy, ny fiteny mingrekiana ary ny fiteny svana. Ireo fiteny ireo dia tenenina indrindra ao Jeorjia. Ny fiteny lazy dia tenenina koa ao Torkia, ao amin'ny sisin-tany manasaraka azy amin'i Jeorjia.

Fiteny ao amin'ny fianakaviam-piteny kartaveliana