Karaîba

(tonga teto avy amin'ny Faritra karaiba)

I Karaîba na Karaiba dia faritra any Amerika voafaritry ny Ranomasina Karaîba, ao atsimo-atsinanan' ny Hoalan' i Meksika sy atsimo-atsinanan' i Amerika Afovoany ary ao avaratr' i Amerika Atsimo no misy an' io faritra io. Ahitana nosy miisa 700 any ho any ny ao amin' io faritra io. Mizara faritra roa i Karaîba, dia i Karaîba a-nosy (ahitana ireo nosy Antilia sy ny nosy Bahamasy) sy ny Karaîba an-tanibe (ny faritry ny morontsirak' i Amerika Afovoany, ny an' i Kôlômbia, ny an' i Venezoela, ny an' i Goiana, ny an' i Sorinama, ny an' i Goiana Frantsay ary ny tapany atsimon' i Florida any Etazonia).

Ny faritra Karaîba
Ny nosy ao amin' ny faritra Karaîba