Ny fanjaitra dia fitaovana kely, izay ampiasaina amin' ny fanjairana amin' ny tanana, lava manify, misy tendrony iray maranitra sy tendrony faharoa misy loaka hitazonana ny kofehy fanjairana. Taolana na hazo ny fanjaitra voalohany indrindra; ny fanjaitra ankehitriny dia vita amin' ny tsỳ misy karbônina betsaka ary voapetaka nikela na volamena 18 karà mba hanoherana ny harafesina. Ny fanjaitra fanaovana amboradara (na petakofehy) avo lenta dia voapetaka amin' ny tsama platinina roa ampahatelony sy tsama titanina iray ampahatelony. Amin' ny fomba mahazatra, ny fanjaitra dia tehirizina anaty bokim-panjaitra na vatam-panjaitra izay lasa haingon-trano. Ny fanjaitra dia azo tehirizina anaty tranony, boaty kely misy fanjaitra sy zavatra hafa toy ny hety sy ny penisilihazo ary ny fihavitra.

Fanjaitra