Ny fihavitra dia karazana tandra kely, amin' ny ankapobeny, ampiasaina amin' ny asa mila fahamarinan-tandrify tsara. Mety misy vimiaina ny fihavitra.Na izany aza dia misy fihavitra lehibe izay ampiasaina, ohatra, amin' ny fandrahoan-tsakafo. Hita any amin' ny faritra maro izay ahitan' ny fahaizan' ny olombelona sy ny fetran' ny fampiasana rantsan-tanana: ny indostrian' ny famantaranandro, ny firavaka, ny indostrian' ny elektrônika, fa eo amin' ny mpanao sora-baventy ihany koa ary, amin' ny ankapobeny, amin' ny sehatra rehetra ilana fahamarinan-tandrify tsara (ohatra, ny mikirakira santionany kely amin' ny siansam-panandramana, mba hihazonana ampahany marefo sy/na kely amin' ny mekanika, sns.). Amin' ny fanitarana ny fampiasana io teny io, eo amin' ny sehatry ny fitiavana hajia, dia io ihany koa no anarana omena ny tandra kely nofisahina amin' ny faran' ny rantsany roa, ampiasaina amin' ny fikirakirana hajia.

Fihavitra