Ny harafesina dia ilay zavatra manja mena manopy volomboasary miforona rehefa miharava vokatry ny fisian' ny ôksizenina sy rano ny tamba-metaly misy vy. Izany dia fiota miadana izay miteraka fiforonan' ny ôksida na hidirôksida misy rano sy tsy manjary kristaly tsara, ary ny hematita no tena marin-toerana indrindra amin' ny karazana harafesina. Ny vy metaly azo avy amin' ny fanodinana ny akora mena misy ôksidana vy ao anaty lafaoro lehibe dia miverina amin' ny toetra misy ôksida raha vao tratran' ny rivotra sy ny rano.

Vy harafesina