Fandosirana tany Pela

Ny fandosirana avy any Jerosalema ho any Pela dia fialan' ny Jiosy kristiana (ny Nazôreana) avy tao Jerosalema hankany Pela (grika: Πέλλα / Pella), any amin' ny faritr' i Dekapôlisy eny ampitan' i Jordana, mba tsy ho tratran' ny fandravan' ny Rômana an' i Jerosalema tamin' ny taona 70, araka ny nambaran' ny faminaniana iray amin' izy ireo, nandritra ny Fikomiana lehibe nataon' ny Jiosy. Ny fitantarana nomen’ i Eosebiôsy avy any Kaisarea tamin’ ny taonjato faha-4 no tena nahafantarana an’ ilay zava-nitranga. Mety tsy anisan' ireo Kristiana nandrositra ireo ny Ebiônita.

Sarin-tanin' i Dekapôlisy ahitana ny tanànan' i Pela

Tantara hanova

Araka ny lovantsofina notaterin’ i Eosebiôsy avy any Kaisarea sy i Epifaniôsy avy any Salamisy, tamin’ ny ankatoky ny Fikomiana lehibe nataon' ny Jiosy (66-73 taor. J.K.), dia nisy faminaniana (hafatr' i Jesoa) nampitandrina mpikambana tao amin' ny Fiangonan' i Jerosalema ny amin’ ny handravana an’ i Jerosalema. Noho izany dia nandositra an’ i Jerosalema izy ireo ary nanorim-ponenana tao amin’ ny tanànana jentilisan' i Pela (i Tabaqat Fahil, any Jôrdania ankehitriny).

Ny fanontaniana ny amin’ ny maha ara-tantara an' io lovatsofina io, araka ny voalazan’ i Ray A. Pritz, dia zava-dehibe ny amin’ ny fahatakarana ny jodeô-kristianisma fahiny. Notoherin' i S. G. F. Brandon ny maha-azo itokiana azy io, satria misy ny zava-tsarotra maro: sarotra amin' ny Jiosy kristiana ny ho afaka amin' ny fiambenan’ ny Zelôta nifehy an' i Jerosalema, na ny hanorim-ponenana ao amin' ny tontolo mpanompo sampy nankahala ny Jiosy.

I Brandon dia niombon-kevitra amin' ny manam-pahaizana hafa toa an' i Günter Strecker sy Gerd Lüdemann. Ireo mpanohana ny maha ara-tantara ilay fandosiran' ny Kristiana avy any Jerosalema ho any Pela dia ahitana an' i Sidney Sowers, i Marcel Simon ary i Jonathan Bourgel.

Jereo koa hanova