Epifaniôsy avy any Salamisy

I Epifaniôsy avy any Salamisy na Epifaniôsy avy any Salamina na Epifaniôsy avy any Kiprôsy dia eveka sy teôlôjiana kristiana tamin' ny taonjato faha-4, teraka tao amin' ny tanànan' i Besandôka, ao akaikin' i Eleoterôpôlisy any Palestina tamin' ny taona 315, ary maty teny an-dranomasina nandritra ny dia nataony teo anelanelan' i Kônstantinôpôlisy sy Kiprôsy (na Sipra na Kipra) tamin' ny volana Mey 403. Sady olo-masina no Rain' ny Fiangonana (na Aban' ny Eglizy) izy amin' ny Fiangonana ôrtôdôksa sy ny Fiangonana katôlika. Tao amin'ny tanànan' i Samamisy any Kiprôsy, izay noravan' ny horohoron-tany tamin' ny taona 340 nefa naorina indray ka nomena ny anarana hoe Kônstantia (avy amin' ny anaran' ny emperora Kônstantino II), no naha eveka azy. Io tanàna io no renivohitry ny fiangonana tao Kiprôsy.

I Epifaniôsy avy any Salamisy