Ny eton-drano dia ny endriky ny rano lasa etona, izay anisan' ny toetra telo ara-pizikan' ny rano (no roa hafa dia ny ranoka sy ny vainga) ao anatin' ny bolandrano na hidrôsfera. Azo vokarina avy amin' ny fampietonana na fampangotrahana ny rano na avy amin' ny fampietonana ny ranomandry ny eton-drano. Mangarahara ny eton-rano, toy ny ankamaroan' ny singa ao amin' ny atmôsfera. Amin' ny fepetra mahazatra ao amin' ny atmôsfera dia ateraky ny fietonana ny eton-rano ary miala amin' ny alalan' ny fivaingana. Tsy makitroka mihoatra ny ankamaroan' ny singa hafa ao amin' ny rivotra izy sady mety hitarika amin' ny fiforonan' ny rahona sy ny zavona.