Ny elfa dia zavaboarin' angano mitovitovy endrika amin' ny olombelona, amin' ny ankapobeny aseho ho toy ny olona manify, manana sofina maranitra sy hoditra hatsatra ary maso mamirapiratra, izay mety ho samy hafa ny bika aman' endrika sy ny anjara asa ary ny tandindona ampiraisina aminy. Novolavolain' ny fedrà sy asasoratra maro noforonina ny sariny. Tany am-boalohany dia zavamananaina ao amin' ny fedrà nôrdika izy ireo, izay mbola mitoetra ao amin' ny vcakodrazana skandinaviana ny fahatsiarovana azy. Ny elfa dia andriamanitra kelin' ny natiora sy ny fahavokarana. Hita ao amin’ ny angano seltika izy ireny, satria misy lagatsoratra irlandey sy ekôsey milaza azy ireny.

Elfa ao amin' ny vakodrazana anglisy, sary nataon' i Richard Doyle

Matetika izy ireo no aseho ho toy ny olona kely mifandray amin' ny singa toy ny rivotra na ny afo. Araka ny asasoratry ny mpanoratra toa an' i Tolkien, ny elfa dia lasa zavaboary mendri-kaja sy kanto ary ela velona. Matetika izy ireo no mifandray amin' ny fahendrena sy ny natiora ary ny mazia. Mety miovaova ny haben' izy ireo, manomboka amin' ny zavamananaina kely ka hatramin' ny zavaboary lehibe.

Matetika ny elfa dia manana fahaiza-manao mihoatra ny ara-boajanahary, toy ny hakingaa, ny fahitana amin' ny alina, ny fifandraisana amin' ny natiora, na ny fahaizana mazia. Lazaina fa tsy mitovy amin' ny an' ny olombelona ny fiarahamonin' ny elfa. Mifanaraka kokoa amin' ny natiora ary manome lanja ny fahendrena sy ny zavakanto ary ny tononkalo izy ireo.

Amin' ny teny islandey izy ireo dia atao hoe álfur (raha maro: álfar), álfafólk ("vahoakan' ny elfa"); amin' ny teny danoà: elver, elverfolk, na indraindray ellefolk na alf (raha maro: alfer); amin' ny teny nôrvéziana: alv (raha maro: alver), alvefolk; amin' ny teny soedoà: alv (raha maro: alver), raha vavy: älva (raha maro: älvor).