Ny dongom-pasika dia endrika toy ny havoana noforonin' ny fasika entin' ny rivotra na rano. Miseho amin' ny endrika sy habe samihafa ny dongom-pasika.

Dongom-pasika ao Namibia (Sossusvlei)

Hita matetika indrindra any amin' ny tany efitra ny dongom-pasika, izay tsy ahafahan' ny zavamaniry mitombo ny tsy fahampian' ny hamandoana ka tsy afaka hanelingelina ny fivoaran' ny dongom-pasika. Na izany aza dia tsy voafetra ho any an-tany efitra ny fitoeran' ny fasika, ary misy dongom-pasika koa ny eny amoron-dranomasina, eny amoron-drano amin' ny toetany somary maina, any amin' ny faritra misy ranomandry, ary any amin' ny faritra hafa izay ahitana vatofasika rava noho ny tsy fahaampian' ny simenitra ka miteraka fasika. Ny dongom-pasika ambany rano dia mety miforona avy amin' ny fikorianan' ny rano amin' ny fasika na vatokely eny amin' ny renirano, eny amin' ny vinanin-dranomasina ary any amin' ny fanambanin' ny ranomasina. Ny faritra amorontsiraka sasany dia misy andian-dongom-pasika iray na maromaro mirazotra amin' ny morontsiraka, mivantana avy any any anaty tany raha mitaha amin' ny tora-pasika. Amin' ny ankamaroan' ny tranga, ny dongom-pasika dia zava-dehibe amin' ny fiarovana ny tany amin' ny mety ho fanimbana ateraky ny onja avy any an-dranomasina.

Misy dongom-pasika voatr' olombelona atao indraindray mba hiarovana ny morontsiraka. Ny asan' ny rivotra sy ny rano dia mety hahatonga ny dongom-pasika hiovaova toerana indraindray, izay mety misy vokany lehibe. Tsy maintsy nafindra toerana, ohatra, ny tanànan' i Eucla, any Aostralia Andrefana, tamin' ny taompolo 1890, noho ny fifindran' ny dongom-pasika.