Tay
Ny diky na tay dia manana endrika sy fiseho isan-karazany, miankina amin' ny taovam-pandevonan-kanina rehetra, ny karazan-kanina sy sakafo ary ny fahasalamana. Amin' ny ankapobeny dia mivaingana ny tay. Mety misy vaingany mafimafy, maina kokoa eny amin' ny tendrony. Vao manomboka any ankibo ny olombelona dia efa mamorona tay.
Fangarony
hanovaMiankina betsaka amin' ny fomba fisakafoana ny fangaron' ny tay. Ny 75 % ao aminy dia rano. Mety miova io salanisa io; rehefa marary kibo (mivalana) dia be kokoa ny rano ao amin' ny tay. Ny olona lava tsinay koa dia mamoaka tay maina kokoa. Ny 25 % fanampiny dia mitsinjara toy izao: 1/3 (na 1/12 ny totaliny) dia bakteria maty, 1/3 dia hanina tsy levona, 1/3 zavatra hafa.
Ny fanariana ny tay
hanovaOlana hatramin' ny ela ny famoahana ny tay (fahadioavana, fofona). Ny Indiana no nampiasa voalahany hy kabone. Tany amin' ny taona 2500 ta. J.K no nahitana taratra ny fampiasana azy tany amin' ny Rômana, ny Egiptiana ary ny Sinoa.
Ny sivilizasiôna nifandimby dia nahatsapa fa miteraka olona eo amin' ny fiarahamonina ny tay raha tsy ariana, satria miteraka aretina sy biby kely isan-karazany (kankana, lalitra, kadradraka). Anisan' ny manan-danja lehibe eo amin' ny fanabeazana any amin' ny tany mandroso io resaka io.
Hatrany amin' ny faran' ny taonjanto faha-19, ny olana dia ny fanalana ny tay teo amin' ny faritra fonenana. Ny fomba nahazatra dia ny fampiasana ny lakandrano na ny dobo mba hanariana ny maloto. Mbola olana be io any amin' ny faritra mijaly amin' ny rano. Rehefa nihamaro isa anefa ny mponina dia tsy maintsy nitady fomba hafa hanariana ny tay ny manam-pahaizana.
Lava-piringa maina
hanovaNy lava-piringa maina dia nanomboka nampiasana tamin' ity taonjato faha-21 ity. Ampiasana amin' izany ny taim-bakona aloha sy aorian' ny fampiasana ny lava-piringa. Ampy hitroka ny fofona io. Ilay fitantazana ny tay dia afaka mihetsika fa tsy miraikitra ka afaka ampiasana io amin' ny fambolena na ny fandrehetana afo. Ny tombony azo aminy, ankoatry ny fampiasana ny maloto izay tokony ariana, dia ny tsy fampiasana rano mihitsy.