Ny fanabeazana dia fampitana ny fahaizana amin' ny alalan' ny fampianarana. Izy io koa dia fanampiana ny olona mba hianatra ny fanaovana zavatra sady mamporisika azy hieritreritra mikasika ny zavatra ianarany. Zava-dehibe ho an' ny mpanabe ny mampianatra ny fomba fahitana sy fampiasana ny fampahalalana. Ampitaina amin' ny alalan' ny fanabeazana ny fahalalana momba ny firenena, ny fikambanana ary ny fiarahamonina iray. Amin' ny firenena demôkratika, anisan' ny tanjon' ny fanabeazana ny fampianarana ho olom-pirenena vanona. Ny fanabeazana fototra dia heverina ho azo ekena mandritra ny taona vitsivitsy voalohany amin' ny fianarana. Amin' izao fotoana izao, farafahakeliny 70 % amin' ny ankizy eto amin' izao tontolo izao no mahazo fanabeazana fototra.

Jereo koa

hanova