Ny didim-panjakana dia fanapahan-kevitra an-tsoratra, avy amin' ny fahefana mpanatanteraka, mazàna avoakan' ny filoham-panjakana, toy ny filohan' ny Repoblika na ny praiminisitra, araka ny fomba fiasa voafaritra (matetika araka ny lamina voatondron' ny lalàmpanorenana), na ny mpanjaka.

Manana ny fahefan' ny lalàna (ilay avoakan' ny fahefana mpanao lalàna) ny didim-panjakana na dia ambany noho ny fahefan' ny lalàna aza izany. Ao amin' ny ambaratongan' ny fenitra dia manana fahefana ambony kokoa noho ny didim-pitondrana ny didim-panjakana.

Mihatra avy hatrany ny didim-panjakana nefa tsy mahakasika ny tranga niseho talohan' ny namoahana azy.

Mety tsy mitovy ny teny ilazana ny didim-panjakana araka io heviny io arakaraka ny firenena tsirairay. Any Belzika, ny didim-panjakana "décret" (na "ordonnance" raha ao Bruxelles) dia fanapahan-kevitra avy amin' ny fahefana mpanao lalàna ao amin' ny fanjakana mizakatena iray, soniavin' ny governemanta, ary tsy misy fiantraikany afa-tsy amin' ny tanin' ilay fanjakana mizakatena namoaka azy. Any Frantsa, ny didim-panjakana ("décret") dia fenitra avy amin' ny fahefana mpanatanteraka. Ny praiminisitra no mandray izany (izay mety hisy tovan-tsonian' ny minisitra voakasika amin' ny fampiharana azy), na ny filohan' ny Repoblika. Ny didim-panjakana ataon' ny filohan' i Etazonia dia atsoina hoe "executive orders".

Jereo koa hanova

Rohy anatiny

Rohy amin' ny Wikipedia hafa