Boky faharoan' i Nefia
Ny Boky faharoan' i Nefia, na Bokin' i Nefia Faharoa izay antsoina matetika hoe Nefia Faharoa na 2 Nefia, no boky faharoa mandrafitra ny Bokin' i Môrmôna, soratra ara-pivavahana voalohany ao amin’ ny Hetsika Olomasin’ ny Andro Farany. Notantarain’ i Nefia, zanakalahin’ i Lehia, fa tsy toy ny Bokin' i Nefia Voalohany, ny 2 Nefia dia mirakitra kely ny tantaran’ ny Nefita ary mifantoka indrindra amin’ ny fahitana sy amin’ ny faminanian’ i Nefia tenany sy ny an' ny mpaminany hafa, indrindra fa i Isaia.
Ity boky ity dia manomboka amin' ny fitahiana sy fampianarana farany nataon' i Lehia ho an’ ny fianakaviany alohan’ ny nahafatesany. Nandalina lohahevitra momba ny doalisma kôsmôlôjika ("fifanoherana") i Lehia, ny Fahalavoan' ny olombelona, ny fitsanganana amin' ny maty ary ny sorom-panavotana. Taorian' ny nahafatesan' i Lehia dia nizara roa ny fianakaviana: ny Nefita izay notarihin' i Nefia ary ny Lamanita izay notarihin' i Lamana zokin' i Nefia. Voatery nandositra ny fonenany tany am-boalohany ny Nefita ary voaozon' Andriamanitra tamin’ ny "hoditra mainty" ny Lamanita. Nanorina tempoly ny Nefita ary nanaraka ny Lalàn' i Mosesy. Nitory teny i Nefia sy i Jakôba zandriny, nitanisa sy namakafaka ny Bokin' i Isaia, matetika isaky ny teny avy ao amin' ny dikan-tenin' ny Baibolin' ny Mpanjaka Jakôba.