Basiliôsy avy any Kaisarea

(tonga teto avy amin'ny Basile de Césarée)
Basiliôsy avy any Kaisarea
Ankapobeny
Anarana Basiliôsy avy any Kaisarea
Teraka taona 329
Maty taona 379
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Basiliôsy avy any Kaisarea dia dia iray amin' ny Rain' ny Fiangonana. Nantsoina hoe Basiliôsy Lehibe izy, nandritra ny androm-piainany, noho ny fahefany ara-môraly sy ara-pivavahana. Teraka tamin' ny taona 329 ary maty, araka ny lovantsofina, tamin' ny Janoary 379 tao Kaisarea (na Kaisaria) any Kapadôkia.

Mpanorina mônasitera iray tao amin' ny faritr' i Pôntôsy (na Pônto), eo amoron' ny Ranomasina Mainty izy, no sady mpanoratra ny fitsipika fantatra amin' ny anarana hoe "fitsipik' i Masindahy Basiliôsy". Izany fitsipika izany no lasa fitsipika mônastika lehibe indrindra tao amin' ny Fiangonana Tatsinanana sy tamin' ny ampahany dia nanentana ny fitsipik' i Masindahy Benedikto ao amin' ny Kristianisma Tandrefana. Nanao asketisma izy nandritra ny androm-piainany.

Tamin' ny taona 370 dia lasa evekan' i Kaisaria izy. Ny fanoloran-tenany nandritra ny mosary, ny tanàna namponenana ny mahantra faraidiny izay noforoniny tao anatin' ny tanànan' ny famindram-po izay mitondra ny anarana hoe "Basiliada" dia nahatonga azy ho anisan' ny mpialoha lalana ny kristianisma sôsialy.

Niaro ny fanekem-pinoana nikeana (na niseana) tamin' ny arianisma izy ary nanao lahatsoratra momba ny Fanahy Masina, namolavola ny teôlôjian' ny Trinite. Nikatsaka araka izay azo atao ny hampitony ny fisaratsarahana teo anivon' ny Fiangonana izy. Heverina ho iray amin' ny "Rain' ny Fiangonana Kapadôkiana" telo izy, miaraka amin' i Gregôriôsy avy any Nisa sy i Gregôriôsy avy any Nazianzôsy.

Nankatoavin' ny papa Pio V ho dokoteran' ny Eglizy izy tamin' ny taona 1568. Hajain' ny Ôrtôdôksa sy ny Katôlika ho olo-masina izy, ankalazaina isaky ny 2 Janoary any Andrefana, ary isaky ny 1 Janoary, ny andro nahaterahany (dies natalis), any Atsinanana. fa nandritra ny “fetin' ny dokotera ekiomenika telo", isaky ny 31 Janoary, miaraka tamin' i Jôanesy Krisôstômôsy sy Gregôriôsy avy any Nazianzôsy.

Jereo koa hanova

Rohy ivelany hanova

  • Ao amin'i Freebase: [1]
 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.