I Pio V dia evekan' i Rôma faha-225 sady papa tao amin' ny Eglizy Katôlika nanomboka tamin' ny taona 1566 ka hatramin' ny 1572. Amin' ny teny latina izy dia atao hoe Pius V, fa amin' ny teny italiana kosa dia Pio V. I Antonio Gislieri, na Michele Ghislieri (ao amin'ny fivavahana) no anarany taloha' ny naha papa azy. Teraka tamin' ny 17 Janoary 1504 tao Bosco Marengo any Piémont izy ary maty tamin' ny 1 Mey 1572 tany Rôma,

Pio V

Pretra dôminikana tamin' ny fanompoana ny Koria rômana izy ary natao kardinaly tamin' ny taona 1557, izy no malaza indrindra tamin' ny nitondrany teo amin' ny fiainan' ny Eglizy Katôlika ny fanavaozana notapahin' ny Kônsily tao Tridentio. Nasandratra ho olo-masina tamin' ny taona 1712 izy ary ankalazaina amin' ny fomba litorjika isaky ny 30 Avrily.