Ny asketisma na asetisma dia fitsipi-pifehezana an-tsitrapo atao amin' ny vatana sy ny saina mikatsaka ny fizorana mankany amin' ny tonga lafatra. Ampifandraisina amin' ny fivavahana isan-karazany ny asketisma, saingy tsy voafetra ho amin' ireo ny fampiasana ilay teny. Tamin' ny niandohan' ny teny hoe "asketisma", ny teny grika hoe askêsis, izay midika hoe "fanatanjahan-tena" na "fiofanana" dia nampiharina amin' ny hetsika maro, indrindra fa ny atletisma, ka mandray heviny ara-batana fotsiny tany am-boalohany. Tamin’ ny taonjato faha-5, tamin’ ny alalan’ ny teny latina, dia niseho ny teny hoe asceta na asceteria, izay midika hoe “moanina" na "relijiozy”, “mônastera" na "toeram-pihibohana”. Izany dia niavian' ny teny môderina hoe asketisma.

Misy fitsipi-pifehezana isan-karazany ny asketisma. Ny sasany dia miantehitra amin' ny tsy fahampiana mba hahazoana fifehezana ara-panahy. Izany no trangan' ny fampijaliana ny nofo sy ny tsy fanaovana firaisana ara-nofo. Amin' ny lafiny hafa, ny fanao isan-karazany no mifandray amin' ny asketisma: ny fifadian-kanina sy ny tsy fisian' ny zava-mahadomelina ary ny toaka.