I Bah N'Daw na Ba N'Daou dia miaramila sady mpitondra fanjakana maliana. Izy no lehiben’ ny firenena, amin’ ny maha filohan’ ny Tetezamita azy, nanomboka amin' ny volana Septambra 2020 ka hatramin’ ny volana Mey 2021. Teraka tamin' ny 23 Aogositra 1950 tao San (faritra Ségou) izy.

Bah N'Daw

Manamboninahitra ao amin' ny Tafika ana Habakabaka izy no lasa minisitry ny Fiarovana sy ny Mpiady Tranainy (ministre de la Défense et des Anciens Combattants) tao amin' ny governemantan' i Moussa Mara nanomboka tamin' ny 2014 ka hatramin' ny 2015.

Lasa filohan' ny Tetezamita izy rehefa notendren' ny fitondrana miaramila izay nanongana ny filoha Ibrahim Boubacar Keïta nandritra ny fanonganam-panjakana tamin' ny fahavaratryny taona 2020. Na izany aza, i Assimi Goïta no tena mitazona ny fahefana teo amin' ny fitondrana. Valo volana taty aoriana, nandritra ny fanonganam-panjakana vaovao nataon' i Goïta, dia nosamborina niaraka tamin' ny praiminisitra Moctar Ouane i Bah N'Daw, ary niala tamin' ny fitondrana noho ny faneren' ny tafika.

Jereo koa hanova