Antenimieran' i Madagasikara

Ny Antenimieran' i Madagasikara dia rafitra mpanao lalàna eto Repoblikan' i Madagasikara, ahitana Antenimiera roa, dia ny Antenimierandoholona sy ny Antenimierampirenena. Ahitana loholona miisa 18 ny Antenimierandoholona (raha 33 izany teo aloha), ka ny 12 amin' izy ireo (raha 22 izany teo aloha) dia lany tamin' ny fifidianana tsy mivantana ary ny 6 (raha 11 izany teo aloha) no tendren' ny filoham-pirenena, hiasa mandritra ny fito taona. Ny Antenimierampirenena kosa dia ahitana solombavambahoaka miisa 151, izay nofifidin' ny olompirenena mivantana hiasa mandritra ny dimy taona.

Fahefana mpanao lalàna hanova

Ity Antenimiera ity dia misolo tena ny vahoaka sady mpanao lalàna ary manara-maso ny asan' ny Governemanta, amin' ny alalan' ny fihainoana sy fanontaniana. Mpanolo-tsaina ny fahefana mpanatanteraka koa ny Antenimiera (indrindra ny Antenimierandoholona).

Ny Antenimiera dia mandinika ny volavolan-dalàna na ny tolo-dalàna sy manao latsa-bato hifidiana izany ho lalàna. Ny filohan' ny Repoblika no tsy maintsy manao sonia ny lalàna lanin' ny Antenimiera vao izay azo ampiharana.

Ny fanaovana tolo-dalà no fahefana ahafahan' ny mpikambana ao amin' ny Antenimiera mandray andraikitra amin' ny raharaha fanaovan-dalalàna. Mpikambana tokana na vondro-mpikambana amin' ny anaran' antoko pôlitika no mametraka ny tolo-dalàna. Amin' ny ankapobeny dia ny governemanta no manolotra rijantenin-dalàna maro kokoa hanaovana latsa-bato, atao hoe volavolan-dalàna, ka ny azon' ny Antenimiera atao dia ny manao fanitsiana (fanovàna ampahany amin' ny rijanteny) amin' ilay volavolan-dalàna.

Raha misy ny tsy fitovian-kevitra eo amin' ny roa tonta ka misakana ny fahalannian' ny lalàna iray dia misy ny fandinihana sy fanolorana fanitsiana ifandimbiasan' ny Antenimiera roa momba ilay rijanteny. Raha mitohy ny tsy fitovian-kevitra dia afaka manapa-kevitra ny hampiantso vaomiera iraisan' ny Anteniiera roa ny praiminisitra. Raha tsy mahomby ny fampitovian-kevitra dia ny Antenimierampirenena no tompon' ny teny farany amin' ny fandaniana na tsia ilay rijanteny.

Jereo koa hanova