Antenimiera
Ny Antenimiera na Parlemanta dia andrim-panjakana ahitana mpikambana maro manatanteraka fivoriambe, izay misolo tena ny vahoaka ao amin' ny firenena, na ao amin' ny fizaràna ara-pitantanana anatin' ny firenena (ohatra any amin' ny fanjakana federaly), na anaty fikambanam-pirenena toa ny Parlemanta Eorôpeana ao amin' ny Vondrona Eorôpeana.
Amin' ny ankapobeny dia manana andraikitra telo ny Parlemanta: misolo tena ny olom-pirena mpifidy, manao sy manova lalàna (amin' ny maha tompon' ny fahefana mpanao lalàna azy), ary manara-maso ny Governemanta amin' ny alalan' ny fihainoana sy fanontaniana. Mpanolo-tsaina ny fahefana mpanatanteraka koa ny Antenimiera (indrindra ny Antenimieran-doholona) ary afaka misolo tena ny fireneny any ivelany.
Ankapobeny
hanovaMisy endrika roa ny Parlemanta: ny Parlemanta tsy ahitana afa-tsy ny Antenimieram-pirenena sy ny Parlemanta ahitana miaraka ny Antenimiaram-pirenena sy ny Antenimieran-doholona.
Ny mpikambana ao amin' ny Antenimieram-pirenena dia lanina amin' ny fifidianana andraisan' ny olom-pirenena mpifidy rehetra anjara mivantana araka ny rafi-pifidianana izay miovaova arakaraka ny firenana na ny fanjakana. Ny fifidianana ny mpikambana ao amin' ny Antenimieran-doholona kosa dia mety miovaova arakaraka ny firenena na ny fanjakana, ka ho an' ny sasany dia ny olom-pirenena afaka mifidy no mifidy azy ireo, fa ho an' ny hafa kosa dia fidin' ny mpifidy vaventy. Antsoina hoe solombavambahoaka ny mpikambana ao amin' ny Antenimieram-pirenena fa loholona kosa ny ao amin' ny Antenimieran-doholona.
Ny Parlemanta dia mandinika ny volavolan-dalàna na ny tolo-dalàna sy manao latsa-bato hifidiana izany ho lalàna; any amin' ny firenena sasany sy ao anatin' ny fepetra sasany dia tsy maintsy akana ny hevitry ny olom-pirenena ny lalàna voafidy vao afaka manan-kery; any amin' ny firenena hafa dia ny lehiben' ny mpanatanteraka (ny filohan' ny Repoblika matetika) no tsy maintsy manao sonia ny lalàna lanin' ny Antenimiera vao izay azo ampiharana. Ny Governemanta, izay afaka mandray anjara amin' ny famolavolana ny lalàna indraindray, no mampihatra izany amin' ny maha fahefana mpanatanteraka azy.
Etsy andanin' izay, afaka manara-maso ny asan' ny Governemanta ny Parlemanta: azony atao ny manongana azy, azony atao ny manontany azy mandritra ny fivoriana; azony atao ny manao fanadihadiana; mandatsa-bato handaniana ny tetibola izy ary afaka manara-maso ny fampiasana izany teti-bola izany.