Anjeva Gara

Anjeva Gara dia kaominina ao amin'ny distrikan'Antananarivo Avaradrano, faritra Analamanga.

TantaraHanova

JeografiaHanova

Eo amin'ny 25 kilometatra eo miantsinanana raha miala an'Antananarivo renivohitra no misy ny kaominina Anjeva Gara. Lalan-tany no mihazo an'Anjeva raha avy ao Ambohimanambola, misy taksiborosy mandeha amin'izany miainga avy eo Ambohijatovo, Antananarivo Renivohitra). Ary lalana godorao raha avy any Ambohimalaza, misy taksiborosy mandeha amin'izany miainga avy eo Mahazo, Antananarivo Renivohitra.

Toe-karenaHanova

Lalovan'ny zotran-dalamby Antananarivo-Côte Est ny kaominina Anjeva. Ary ny fisian'ny gara ao no nahatonga ny anarana hoe Anjeva Gara. Ahitana ny OIM na Tannerie d'Anjeva izay orinasa mpanodina hoditra. Ny fambolena no iveloman'ny ankamaroan'ny olona ao Anjeva. Anisan'ny mamatsy anana sy legioma ny faritra Antsinana Anjeva.

FotodrafitrasaHanova

Ahitana EPP sy CEG.

FitantananaHanova

Ahitana ny fokontany


Jereo koaHanova