Ny anamamy dia zavamaniry ahitra misy voniny sy ravina mivelatra. Misy amin' izy ireo ny avy any Amerika, any Melanezia, any Ginea Vaovao ary any Aostralia.

Anamamy

Maro ny anarany ara-tsiansa ka anisan' izany ny hoe Solanum americanum Mill. sy ny hoe Solanum nodiflorum. Indreto ny anarany hafa amin' ny teny malagasy: anamamy, anantsatria, anantsindrana, avaizo, bemine ary mailo.

Ravina sy voan' anamamy masaka (mainty) sy manta (maitso)

Ity zavamaniry ity dia nentina novolena any amin' ny ankamaroan' ny faritra trôpikaly amin' ny faritr' i Pasifika sy amin' ny faritry ny Ranomasimbe Indiana, anisan' izany i Hawaii, i Indôsina, i Madagasikara ary i Afrika, mety tamin' ny fitondran' ny olona nifindra monina any amin' ireo toerana ireo.

Ny anamamy dia iray amin' ireo karazan-javamaniry miparitaka be indrindra sy miovaova ara-endrika ao amin' ny fizarana Solanum. Mety hafangaro amin' ny karazana anamamy hafa ao amin' ny toy ny voanantay (Solanum nigrum) izy.