Teratanin' i Amerika

(tonga teto avy amin'ny Amerindiana)

Ny teratanin' i Amerika (amin' ny teny anglisy Native Americans) dia olona nipetraka teo amerika teo aloha ny eoropeanina. Amin' ny fiteny anglisy, Native Americans ny anarana omena azy matetika. Araka any fomba vaovao fahatongavan' ny teratan' i Amerika tany Amerika, avy any Eorazia ny teratan' i Amerika ary tonga tany amerika tamin' i Beringia taloha (mbola tsy nisy rano teo amin' ny andilan' i Bering tamin' izany fotoana izany). 12 000 taona lasa ny fifindra-monina farany. Ny Paleô-indianina ireo dia niparitaka manerana an' i Amerika, niova ary nihabetsaka ny kolontsaina sy ny fiteny noho ny fiparitahany. Ny teny hoe Indianina dia avy amin' i Christophe Colomb, nihevitra hoe tonga tany Azia (India Atsinanana) izy nefa tany Amerika izy no nitotona, noho izany dia Indianina ny anarana nomeny ny teratany satria tamin' izany fotoana izany, mbola tsy fantatra ny fisian' ny kontinenta amerikana (izy irery ny anisan' ny voalohany niampita ny Ranomasimbe Atlantika tamin' izany fotoana izany).

Vehivavy Quechua mibaby zaza
Nahua avy any Morelos

Betsaka ny foko indianina mihaza sy mioty, misy maromaro ihany koa mamboly. Misy fiaraha-monina miaina amin' ny fambolena ary misy sasany hafa mamboly, mihaza ary mioty. Misy faritra any Amerika mbola ipetrahan' ny terataniny; any Meksika sy any Bôlivia izao no tena betsaka teratany indrindra any Amerika raha miresaka ara-kevitra (proportion). Ary misy fiteny teratany maro mbola be mpiteny, toy ny fiteny nahoatla, ny fiteny maia sy ny fiteny goarany. Olona amana tapitrisa no miteny ireo fiteny ireo. Misy koa teratany mbola tsy fantatra ary mbola tsy ary nahita Eorôpeanina. Misy izao ohatra teratany any Brezily (Amazonia) mbola tsy hita mihintsy.

JeografiaModifier

Amerika avaratraModifier

  • Foko teratanin'i Amerika arktika
  • Foko teratanin'ny tany lemaka
  • Foko teratanin'i Amerika sobarktika
  • Foko teratanin'ny faritany atsimo andrefana
  • Foko teratanin'ny faritany atsimo atsinanana
  • Foko teratanin'ny morontsiraka avaratra andrefana
  • Foko teratanin'ny kamory
  • Foko teratanin'i Kalifornia
  • Foko teratanin'ny tany lemaka an-tendrombohitra

MponinaModifier

I Amerika dia voazarazara ho faritany 9 araka izay voalaza teo ambony. Ny faritany iray dia manana toe-tany maha-izy azy ka miova arakaraka izany ny fomba fiainan' ny mponina teratany

Vondrom-piteny amerindianinaModifier

 
Language families of North American indigenous peoples

Vondrom-piteny aljikaModifier

Ny fiteny wiyot, miami, illinois, etchemin, loup A, loup B, mahican, massachusett, mohegan, pequot, nanticoke, narragansett, pamlico, powhatan, kiripì, naugatuck, unami, unquachog sy shinnecock dia lazaina fa maty avokoa; ny mpiteny wiyot farany (Della Prince) dia matin' ny fahanterana taminy taona 1962. Ny teny sasany rehetra dia atahorana ho faty ihany koa. 12 sisa ny mpiteny yurok.

Vondrom-piteny algônkianaModifier

Azontsika sokajiana ho anaty vondrona roa lehibe ny fiteny algonkianina:

  • ny fiteny algonkianin' ny tany lemaka;
  • ary ny fiteny algonkianin' ny ala lehibe sobarktika.

Vondrom-piteny sioanina-kataobaninaModifier

Amin' ny vondrom-piteny sioanina-kataobanina dia ahitana fiteny fito ambin' ny folo

MoskôgeaninaModifier

 
Moskôjeana

I. Mosokôgeana tandrefana

1. Tsikasao
2. Tsôkotao

II. Mosokôgeana tatsinanana

A. Mosokôgeana tafovoany
i. Renivondrona apalatsia-alabama-koasaty
a. alabama-koasati
3. Alabama
4. Koasati
b. apalatsia
5. apalatsia
ii. hitsiti-mikasokỳ
6. hitsiti-mikasokỳ
B. Kiriky
7. Kiriky

AtabaskaninaModifier

Ny vondrom-piteny atabaskanina dia anisan' ny vondrom-piteny mivelatra indrindra ao Amerika avaratra. Izy io dia hita amin' ny faritany sobarktika .(avaratr' i Kanada, Alaska), amin' ny faritra atsimon' i Etazonia ankehitriny (Texas, New Mexico) ary ao Meksika. Ny teny atabaskanina ihany koa amin' izao fotoana izao no vondrom-piteny teratany be mpiteny indrindra ao Amerika Avaratra sy Afovoany.

IrôkoaianinaModifier

Ny teny dia avy amin' ny teny frantsay Iroquois. Tsy dia mazava loatra ny fiavian' ny teny hoe "Iroquois". Misy milaza hoe avy amin' ny filazana hiro kone ("voalazako") ilay teny; na avy amin' ny teny algonkianina Irinakhoi (bibilava misioka). Manonona ny tenany ho Haudenosaunee ny foko irôkoà.

Amerika AfovoanyModifier

KaraibaModifier

  1. Ciboney
  2. Arawak
    1. Taino
    2. Lucayan
  3. Mponina Karaiba
  4. Garifuna
  5. Kuna

Amerika AtsimoModifier

Atsimo ny Amerika AtsimoModifier

  1. Mapuches (Araucans)
  2. Puelche
  3. Tehuelche
  4. Yamana
  5. Kaweshkar
  6. Selknam
  7. Charrúas
  8. Gauchos

Jereo koaModifier