Ny abidy arameana dia abidy tsy ahitana zanatsoratra fa renisoratra nampiasaina tamin' ny Andro Taloha. Abjady toy ny ankamaroan' ny abidy anoratana ny fiteny semitika maro ny abidy arameana. Io abidy io dia nanana ny lanjany eo amin' ny tantara satria saika ny abidy ampiasaina ankehitriny ao Atsinanana Akaiky, toraka izany koa ny abidy maro (ankoatry ny abidy sinoa) ampiasaina ao Azia Afovoany sy Atsinanana, noho ny fampiasana ny fiteny arameana izay niely amin' ny maha fitenim-pifandraisan' ny samy hafa firenena azy, sy noho ny maha fiteny ôfisialin' ny Empira Neô-Asiriana sy an' ny Empira Akemenida azy. Ny abidy hebreo no manakaiky indrindra ny abidy arameanan' ilay empira tamin' ny taonjato faha-5 tal. J.K., izay ahitana litera mitovy endrika amin' ny ankapobeny. Alefa avy ankavanana miankavia ny soratra arameana.

Sora-tsokitra amin' ny fiteny roa, dia ny ny fiteny grika sy ny fiteny arameana, hita ao Kandahar ao Afganistàna, vita tamin' ny andron' ny emperora maoria Ashoka (taonjato faha-3 tal. J.K.).

Jereo koa hanova