Alitara

(tonga teto avy amin'ny Ôtely)

Ny alitara na ôtely, ao amin' ny sehatra ara-pivavahana, dia latabatra masina ampiasaina amin' ny sorona na fanaterana fanatitra fanaovana fombafomba ara-pivavahana hafa.

Alitara manan-tandroka ao Tel-Be'er-Sheva, Israely.

Io teny hoe alitara na ôtely io dia mety avy amin' ny teny latina hoe altus izay midika hoe "avo".

Misy alitara ny fitoerana masina, ny tempoly, ny fiangonana, ary ny toeram-pivavahana hafa. Ny alitara dia ampiasaina indrindra ao amin' ny paganisma, ao amin' ny kristianisma, ao amin' ny bodisma, ao amin' ny hindoisma, ao amin' ny jodaisma, ao amin' ny paganisma vaovao, ary ao amin' ny endrily ny fivavahana silamo sasany any amin' ny faritra manodidina an' i Kaokazy sy Azia Minora. Maro koa ny fivavahana taloha nampiasa azy ireny, anisan' izany ny fivavahana rômana sy grika ary nôrdika.