Ny zezika maitso dia karazam-boly atao manokana mba hatambatra amin' ny nofon-tany raha mbola maitso. Amin' ny ankapobeny dia ampidirina amin' ny alalan' ny vadi-bainga, toy ny fanao amin' ny zezi-pahitra, ny zavamaniry atao zezika maitso. Ny hampiditra akora ôrganika ao amin' ny tany mba hanatsarana azy ny tanjona voalohany. Matetika ny zezika maitso no ampiasana voly voamaina (Fabaceae) mba hanampiana azôta ny tany ho an' ny voly manaraka, indrindra amin' ny fambolena biôlôjika, nefa ampiasaina amin' ny fambolena mahazatra ihany koa izany.

Sahan-teloravina, voly atao zezika maitso

Ny zezika maitso dia alevina eo amin' ny toerana naniriany raha mbola maitso, amin' ny alalan' ny vadi-bainga (na tsy misy vadi-bainga amin' ny teknikam-pambolena notsorina, mba hialana amin' ny fahasimban' ny nofon-tany sy hitahirizana ny taharo tanimanga sy roka), na avela eo amin' ny toerana naniriany ho lafika hiarovana ny voly manaraka, mba hanatsarana ny firafitry ny tany sy ny fahavokarany. Manohy ny fanatsarana ny nofon-tany ny zavamaniry ampiasaina ho zezika maitso rehefa mitombo ny voly kendrena amin' izany, amin' ny fanatsarana ny fahatantera-drano sy amin' ny famerana ny fikaoka vokatry ny asan' ny rano, amin' ny fampihenana ny fitomboan' ny ahi-dratsy sy ny filana zezika simika, ary koa amin' ny famikirana ny azôta sy ny fanomezana karbônina. Mety hahitana karazana zavamaniry iray na maromaro ny zezika maitso. Teknôlôjia momba ny fambolena nolovaina avy amin' ny razambe izany, izay ahitana anjara asa fanampiny maro, ampiharina amin' ny fambolena lehibe, ny fambolena anana na ny fikarakarana zaridaina.

Jereo koa

hanova