Ny ankamaroan' ny Mikea dia monina ap amin' ny Ala Mikea eo anelanelan' i Toliara sy i Morombe

Ny Mikea dia vahoaka malagasy monina any anaty ala amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i Madagasikara izay mivelona amin' ny fihinanana zavamaniry sy biby any anaty ala, izay mpihaza sy mpioty. Mipetraka ao amin' ny Ala Mikea izy ireo. Ny ankamaroan' ny Mikea dia avy amin' ny Sakalava, ary misy olona avy amin' ny foko malagasy isan-karazany hita ao amin' ny Mikea. Ny tobin' ny fianakavian' ny Mikea dia mifindra isan-taona avy amin' ny faritra fambolen-katsaka eo amin' ny sisin' ala amin' ny fotoan' ny orana mankamin' ny ala anatiny misy trandraka sy biby fihaza maro hafa amin' ny fizaràn-taona maina, ka lasa miankin-doha be amin' ny fakan-javamaniry fihinana izy ireo mba hahazoany ny rano tadiaviny isan' andro. Mifampiankina amin' ny fiainan' ny Vezo mpanjono mpifanolo-bodirindrina aminy sy ny Masikoro mpamboly sy mpiandry omby, izay ivarotany ny vokatra azony, nohadiny na novoleny tany anaty ala, ny Mikea. Maro koa ny Mikea manao asa fikaramana indraindray, toy ny fiandrasana omby na ny fikarakarana ny tanim-barin' ny olona hafa.

Ny Mikea amin' izao fotoana izao dia tsy hoe ny sisa tavela tamin' ny Malagasy mpihaza sy mpioty fahiny, fa taranak' olona nialokaloka tany anaty ala nanomboka tamin' ny taona 1800 mba handositra ny ady sy ny hetra mavesatra ary ny antony hafa mampahory azy. Ny fomba fiainan' izy ireo, izay heverin' ny mponina hafa ho toy ny ntaolontaolo, dia miampy ny zava-miafina momba azy ireo izay nanentana ny fiforonan' ny sy angano isan-karazany. Heverin' ny olona sasany fa izy ireo no Vazimba lazain' ny lovantsofina fa mponina tany am-boalohany teto amin' ny Nosy, na dia tsy misy porofo manamarina izany. Tsy mitovy amin' ny Beosy mpihaza any amin' ny tant avo be tendrombohitra izy ireo. Raha olona 1 500 eo ho eo no fantatra amin' ny anarana hoe Mikea, maro amin' ny Malagasy no tsy mino fa mbola misy izany vahoaka mikea izany amin' izao fotoana izao. (tohiny...)