Voaroihazo
Ny voaroihazo na hazondandy dia zavamaniry, ao amin' ny karazan-javamaniry Morus alba L. (Moraceae) izy ireo. Avy any Sina ny voaroihazo vao niely eran' i Eorôpa, volena hohanin' ny landy (Bombix mori) ny raviny.
Ny voaroihazo eto Madagasikara
hanovaNy voaroihazo dia zavamaniry vahiny nampidirina teto Madagasikara tamin' ny taonjato faha-18 sady volena hohanin' ny landy (Bombix mori). Maro karazana ny voaroihazo eto Madagasikara, ka ao ireo kely ravina (Morus alba var. indica na Morus indica rumphius) izay mety misy voany fotsy na mainty, ary ny karazany misy raviny lehibe, nampidirina taty aoriana kokoa (Morus alba var. latifolia na Morus milricaulis).