Ny vihara toeram-piantranoan' ny moanina bodista lahy sy vavy, izay azo lazaina ho trano fihibohana na mônastera. Amin' ny teny sanskrity sy paly izany dia atao hoe विहार / vihāra izay midika ara-bakiteny hoe "fonenana". Fialofana nampiasaina ho fonenana maharitra nandritra ny vanim-potoanan' ny orana (vassa na varṣaḥ) nataon' ny moanina bodista izy io tamin' ny voalohany.

Lavabato 12, Ellora, vihara nolavahi,a tamin' ny vatolampy, misy rihana maromaro. Azo inoana favohrvitra koa ny hanaovana haingo fanampiny amin' ny andry.

Amin' ny ankapobeny dia tempoly bodista na mônastera bodista ho an' ny moanina bodista mpangataka ny vihara, indrindra any amin' ny Zana-Kôntinenta Indiana. Nivoatra ny teny hoe vihara ka lasa voan-kevitra ara-javakanto izay ilazana ny trano fonenan' ny moanina izay misy toerana malalaka na tokotany misokatra, indrindra amin' ny bodisma. Hita ao amin' ny literatiora mônastika jaina koa io teny io, izay matetika manondro fialofana vonjimaika ho an' ny moanina lahy na vavy mandehandeha mandritra ny orana any India isan-taona. Ao amin' ny jainisma ankehitriny, dia manohy mandehandeha mitety tanàna ny moanina, afa-tsy amin' ny vanim-potoanan' ny orana (chaturmasya), ary ny teny hoe vihara dia manondro ny firenireny.

Manana dikany manokana kokoa amin' ny maritrano ao India ny vihara na efitrano vihara, indrindra fa ny trano nolavahina amin' ny vatolampy fahiny. Eto io teny io dia midika hoe efitrano afovoany, misy efitra kely mifandray aminy, indraindray misy fandriana vato voasokitra avy amin' ny vatolampy. Manana efitrano kely toerana masina eo afovoan' ny rindrina aoriana, misy stopa (stupa) amin' ny ohatra voalohany, na sarivongan' i Bodà taty aoriana, ny vihara sasany. Misy vihara maromaro ny toerana lehibe mahazatra toa ny Lavabaton' i Ajanta, ny Lavabaton' i Aurangabad, ny Lavabaton' i Karli ary Lavabaton' i Kanheri. Nahitana chaitya na efi-trano fivavahana eo akaiky eo ny y sasany.

Any ivelan' ny tontolo bodista, io teny io dia afaka manondro toerana mahafinaritra na fitsangantsanganana.

Jereo koa

hanova