Ny bodà dia olona nanatanteraka fifohazana ara-panahy vokatry ny fahendrena (prajñā), izany hoe nahatratra ny nirvāna na nihoatra ny fifaniheran-droan'ny samsāra. Mety hantsoina amn'ny anarana hafa koa izy: भगवत् / Bhagavat ("sambatra"), जिन / Jina ("ilay nandresy"), तथागत / Tathāgata ("Tonga araka izany"). Anaram-boninahitra izany ny hoe bodà.

Ny anarana hoe bodà dia fanagasiana ny teny sanskrita hoe बुद्ध / buddha "voafoha", endrika iharana/atao amin'ny foto-matoanteny sanskrta hoe बुध् / budh-, "mifoha", "mahatsiaro tena". Mety hanondro olona samihafa io anarana io ka ny fantatra indrindra dia ilay nanorina ny bodisma, dia i Siddhārtha Gautama izay modelin'ny bodà madio sy tongalafatra (sansktita: सम्यक्सम्बुद्ध, samyaksambuddha).