Vanimpotoana hindo sy bodista tao Indônezia

Ny vanimpotoana hindo sy bodista tao Indônezia dia vanimpotoana nanjakan'ny kolontsaina hindo sy bodista, nanomboka tamin'ny tanjato faha-5 taor. J.K. ka niafara tamin'ny taonjato faha-15. taor. J.K., izay nanamboarana tao Java sy tao Somatra ireo zavatra miorina hanaovana fanompoam-pivavahana hindo sy bodista, ka indraidray samy manana ny azy ireo fiovavahana roa ireo na ahitana singa mifangaro avy amin'ny andaniny sy ny ankilany. Maneho izany fifangaroan'ny kolontsaina roa izany ny lemaka manodidina ny tanànan'ny mpanjaka taloha, dia i Surakarta sy i Yogyakarta ao afovoan'i Java, izay ahitana ny tempolin'i Prambanan, nivavahana amin'i Shiva, sy ireo trano sy zavatra hafa miorina ho an'ny bodisma, izay naorina saika tamin'ny fotoana mitovy. Hatramin'ny taonjato faha-8 ka hatramin'ny taonjato hafa-10 dia dinastia roa no nanjaka tao amin'io faritra io, dia ireo Sailendra izay Bodista nanamboatra ny tempolin'i Borobudur tao amin'ny lemak'i Kedu, sy ireo Sanjaya nivavaka tamin'i Shiva.

Tahaka izany koa no nitranga tao amin'ny fanjakan'i Majapahit tao amin'ny tapany atsinanan'i Java. Manamarina izany ny tononkalo (kakawin) amin'ny fiteny kaoy (kawi, fiteny javaney taloha), dia ny Sutasoma nosoratin'ny pôety tao amin'ny lapa Mpu Tantular tamin'ny taonjato faha-14 tamin'ny fotoana nanapahan'ny mpanjaka Rājasanagara (izay fantatra indrindra amin'ny anarana hoe Hayam Wuruk). Izany tononkalo izany dia manindrahindra ny fandeferana (famelana malalaka) ireo mpanaraka ny bodisma sy ireo mpivavaka amin'i Shiva (atao hoe Sivaita), izay samy nonina tao amin'io fanjaka-mpanjaka io. Avy amin'ity andininy misy andalana efatra ity ny teny filamatry ny Repoblikan'i Indônezia:

  • Rwāneka dhātu winuwus Buddha Wiswa
  • Bhinnêki rakwa ring apan kena parwanosen
  • Mangka ng Jinatwa kalawan Śiwatatwa tunggal
  • Bhinneka tunggal ika tan hana dharma mangrwa.

izay midika hoe:

  • Foto-javatra samy hafa i Bodà sy i Shiva.
  • Samu hafa tokoa izy ireo, nefa ahioana no ahafantarana izany?
  • Satria ny fahamarinan'i Jina (Bodà) sy ny an'i Shiva dia iray
  • Misaraka nefa iray ary tsy mikorontana ny ao amin'ny fahamarinana.

Ny andian-teny hoe "Bhinneka tunggal ika", izay adika tsy tandrify tsara hoe "firaisana ao anaty fahasamihafana", anefa dia teny filamatry ny Repoblikan'i Indônezia.

Ireo fivavahana roa ireo dia efa niara-nisy tao Indônezia hatramin'ny fampielezana ny kolontsaina indiana tao Java. Tao atsinanana'i Java, ao amin'ny faritr'i Karawang, izay nahitana ny fanjakan'i Tarumanagara (tamn'ny taonjaro faha-5), mantsy dia ahitana sisam-paharavan'ny zavatra naorina hanatanterahana ny fivavahana bodista sy hindo.

Izany toe-javatra izany dia niseho koa tao Somatra izay sady tanàna no fanjakana bodistan'i Sriwijaya (tamin'ny taonjato faha-8 hatramin'ny faha-13) izay nampanompo ny fanjakana hindo tao Malayu.

Jereo koa hanova