Mponina ao Nizera

(tonga teto avy amin'ny Vahoaka ao Nizera)

Ny mponina ao Nizera dia tombanana ho 22 tapitrisa mahery tamin' ny taona 2022.

Ankizy ao Nizera

Ny vahoaka ao Nizera hanova

Ny vondrom-poko samihafa ao dia ireto:

  • ny Haosa (55,4 % amin' ny mponina), izay monina any amin' ny faritra atsimo amin' ilay firenena, ara-kolontsaina akaikin' ny avaratra amin' i Nizerià;
  • ny Zarma-Sôngay (22,4 %) monina any andrefana amin' ny firenena;
  • ny Toarega (11 %);
  • ny Folany (6,5 %) mitsinjara nanerana ny tanim-pirenena misy fivangngoana be ao amin' ny faritr' i Tillabéri;
  • ny Kanory (4,2 %) any atsimo-atsinanana, misy any avaratra-atsinanana (departemantan' i Bilma);
  • ny Gormantse (0,3 %) any atsimo-andrefana amin' ny firenena;
  • ny Tobo (0,8 %), niparitaka nanerana ny faritra atsinanana amin' i Nizera;
  • ny Arabo (0,4 %), miely indrindra any atsinanana sy avaratra amin' ny firenena, manana vondrona matanjaka ao Niamey renivohitra;
  • ny Bodoma, vondrona monina eo amin' ny morona sy amin' ireo nosy ao amin' ny Farihy Tchad.

Jereo koa hanova