Ny Tobo na Tebo na Gorana dia vahoaka avy any amin' ny Tendrombohitra Tibesti izay monina any amin' ny faritra afovoan' i Sahara, mpiompy andian' omby sady mpifindrafindra monina na mpamboly any akaikin' ny ôazisy izy ireo. Ny tena misy ny tanin' izy dia any amin' ny tapany avaratra amin' i Tsady, izay betsaka azy ireo indrindra, ary mivelatra hatrany amin' ny faritra atsimo amin' i Libia sy avaratra-atsinanana amin' i Nizera. Avy amin' ny teny tobo taloha izay midika hoe "vahoakan' ny vato" io anarana hoe Tobo io.

Lehilahy tobo ao akaikin' i Koulélé, any Nizera

Miisa 260 000 any ho any izy ireo ka ny 125 000 ao Tsady (taona 2011), ny 85 000 ao Libia (taona 2011), ny 40 000 ao Nizera (taona 2011) ary ny 11 000 ao Sodàna .

Vehivavy tobo ao Tsady

Mizara roa lehibe indrindra izy ireo, izay samy manana ny faritra misy azy: ny Teda (ao amin' ny Faritr' i Tibesti ao Tsady sy ao amin' ny faritr' i Fezzan ao Libia ary ao amin' ny Departemantan' i Bilma ao Nizera) sy ny Daza (ao Borkou, ao Ennedi, ao Kanem, ao Bahr-El Ghazal ary ao amin' ny Departemantan' i Nguigmi ao Nizera). Inoana fa mitovy fiaviana izy ireo ary miteny ny fiteny tobo, fiteny ao amin' ny sampana sahariana amin' ny fianakaviam-piteny nilô-sahariana, akaikin' ny fiteny kanory. Ny fiteny tobo dia mizara ho fiteny roa mifandray akaiky, antsoina hoe fiteny tedaga (na fiteny teda tobo) sy fiteny dazaga (na fiteny dazaga goràna). Amin' ireo vondrona roa ireo, ny Daza, izay monina any amin' ny faritra atsimon' ny misy ny Teda, dia maro kokoa.

Ny fiarahamonin' nyTobo dia mifototra amin' ny fokom-pianakaviana, ary ny fokom-pianakaviana tsirairay dia manana ôazisy sy kijana ary lavadrano fantsakana.

Ireto avy ny fiantsioana azy ireo: Tobo (Tubu), Tabo (Tabu), Tebo (Tebu), Tibo (Tibu), Tôda (Toda), Tôgda (Todga), Tôdaga (Todaga), Toda (Tuda), Todaga (Tudaga), na Gôrane (Gorane). Ny Dazaga indraindray dia antsoina hoe Gorana (Gouran) na Gôrane (Gorane) na Gôrana (Goran) na Gorane (Gourane), anarana avy any ivelany amin' ny teny arabo. Maro tamin' ireo mpitarika an' i Tsady no Tobo (Gorana), anisan' izany ny filoha Goukouni Oueddei sy ny fioha Hissène Habré.

Jereo koa hanova