I Niamey no renivohitr' i Nizera, eo amin' ny ony Niger any amin' ny farany andrefan' ilay firenena. Nisy mponina 1 802 910 ity tanàna ity tamin' ny taona 2018, ka izy no tanàna be mponina indrindra ao amin' ity firenen' i Afrika Andrefana ity. Manana kaominina dimy ilay tanàna izay mikambana ho vondron-tanàn-dehibe antsoina hoe Communauté Urbaine de Niamey (CUN) izay tafiditra ao amin' ny faritr' i Tillabéri.

I Niamey