I Tovo J'Hay dia mpanankanto malagasy fantatra amin ny maha mpamorona, sy mpiangaly ny hiran' ny fo (Soul) araka ny maha hiran' ny fo azy izay dia ny fo avy hatrany no voadona rehefa hiantefan' ilay mozika. Manana fomba fihira tsy dia faheno sy fahita loatra teto Madagasikara indrindra eo amin' ilay angola sy fihetsem-po rehefa mihira, ka somary vaovao tamin' ny sofina teny am-piandohana. Misy ny tonga dia mankafy avy hatrany, arakaraky ny fahatakaran' ny tsirairay ny mozika anefa, na dia hita ihany aza hoe miezaka ny tovolahy hanatsotra ny hira ataony mba ho voarain' ny be sy ny maro. Mpanakanto iray nametraka, sy tsy maty intsony ao am-pon' ny Malagasy maro i Tovo J'Hay taty aoriana rehefa tafapaka tsara tany amin' ny mpakafy azy. Nanova ny fomba fijery ny rivotry ny mozika tamin' ny fotoan' andro ho an' ny rivotra hafa indray, tamin' ny taona 2000 tany ho any. Voasokajy ao anatin' ny mpihira mpanao hira madinika na variété izy, kanefa voasingana noho izy manana ny mampiavaka azy eo amin' ny aingam-panahy na feeling. Mpanakanto feno, ary miaina hotran' ny olona rehetra, manao ny fanaon' ny olona rehetra, manam-bady sy manan-janaka, ary manana asa fanaony andavan' andro.

Zotram-piainany

hanova

Ny fahazazany (1983-1987)

hanova

Ny anarany feno dia Ratovondrahona Herinirina, teraka ny 05 Janoary 1974 tao Antananarivo. I Tovo J'Hay dia teraka tao anatin' ny fianakaviana tia mozika, na dia dokotera aza ny rainy dia mahagaga fa mpanao mozika avy ny ralahiny sy ny anabaviny, enina mianadahy, ary samy mitendry mozika avokoa. Fony fahakeliny teo amin' ny faha sivy taonany teo no nanomboka nianatra ny pianô i Tovo J'Hay, ary nitohy hatrany amin' ny fianarana aponga maro anaka (batterie) izany teo amin' ny fahafolo taonany. Ny nahitany an' i Gilbert Montagné, Stevie Wonder, Ray Charles, Elton Jhon no nanosika ny faniriany ho lasa mpihira sady mitendry ny pianô, Vao iraika ambin' ny folo taona izy tamin' izany dia efa niaraka tamin' ny rahalahiny (Ratovondrahona Minonirina) nanao fampisehoana voalohany tao amin' ny CGM, izay mbola ny hiran' i Gilbert Montagné sy Richard Claiderman no nindraminy nataony tamin' izany. Ary tsy nijanona teo fa nanao fampisehona nitety ny colleges tao Antananarivo amin' ny alalan' ny fifaninanana isan-karazany.

Ny fahatanorany (1987-1991)

hanova

Teo amin ny faha 13 taonany i Tovo J'Hay no nanomboka nanoratra sy namoron-hira, "Mahatsiaro "no hira voalohany anisany noforoniny tamin' izany. Tamin' izy vao 14 taona no nitsiry ny hevitra fa hamorona tarika i Tovo J'Hay, zareo mpinamana tany an-tsekoly no nikaon-doha ka teraka teo araka izany ny tarika iray antsoina hoe MAXI. Nisy an' i Christophe Ramambazafy, Mbolatiana, lohateny anankiray hoe "Friendship" no hira tena nahafatarana ny tarika tamin' izany. Rehefa nahazo ny loka voalohany tamin' ny fifaninanan-kira tany Antsirabe ny tarika dia nitety faritra maro teto Antananarivo.

Traikefa (1991-1997)

hanova

Telo taona teo ny faharetan'ny ny tarika MAXI dia nisy ny fisarahana, nanohy ny lalany ihany anefa i Tovo J'Hay tamin' ny faha 17 taonany ary niditra tamin' ny tarika iray mpanao Rock hoe "APY" ary nipetraka ho mpitendry ny synthétiseur fotsiny ihany, izay nampitombo ny traikefa teo amin' ny fitendrena, indrindra ny karazana gadona Rock. Teo amin' ny faha 18 taonany izy no namorona indray tarika iray izay mpanao a capela fotsiny nantsoina hoe 'The Jays" izay tsy naharitra fa amam-bolana fotsiny dia rava ihany koa. Ka teo no niainga ny anarana hoe Tovo Jay izay marihana fa mbola tsy misy litera haitso "H". Namoaka singa "single" mitondra ny lohateny hoe "Niandry" izay nandeha tamin' ny anarany manokana izy avy eo. Nisy ihany koa ny firaha-miasa tamin' i Solofo Ranarivelo taty aoriana ka namoaka singa hafa toy ny "Naleoko izy ho any", ny "Ho ahy sy ho anao" izay duo niarahana tamin' i Lova Rakoto izay nandeha tamin' ny onjam-peo maro isan-karazany teto an-drenivohitra. Nanomboka teo dia nihamaro ny nahafantatra azy tamin' izany satria nahazo laharana avo teo amin' ny Hit parade, tamin' ny Radio Tsiokavao, Corail, sy Antsiva, RFV.

Seho voalohany (1997)

hanova

Teo amin' ny faha 20 taonany no niaka-tsehatra ka nanao seho voalohany tao amin' ny ABAKABAKA amin' ny anarany irery i Tovo Jay izay tsy nampoizina fa namaly ny antso ny olona maro ary nanomboka teo no nahitany fa niforona ny vondron' olona mpakafy azy.

Mozika indray avy eo (1997-2000)

hanova

Telo taona no namitany ny fianarany teny amin' ny oniversite, taorian' izay ka niverina nandray ny mozikany indray ny tovolahy tamin' ny faha 23 taonany. Teo no nifankahitany sy i Aro zanak' i Bessa izay niara-niasa taminy akaiky ka namoaka singa iray avy hatrany. Lohateny iray tsy maty ambavan' ny mpakafy mandraka ankehitriny dia ny "Mbola hafa" izay namaritra ny lalan-kombany sy ny gadona ho voiziny nanomboka teo. Nisy araka izany ny fampahalalana, heno tetsy sy teroa teny amin' ny haino aman-jery samihafa amin' ny alalan' ny interview sy gazety, nisy araka izany ny fisehoana kely madinidinika tetsy sy teroa, ka anisan' ny voamarika tamin' izany, ohatra, ny fandraisany anjara tamin' ny fitokanana ny haino aman-jery iray OTV izay nahatonga ny trano mpamokatra na producteurs maro niantso sy nitady fiaraha-miasa taminy, ka safidy manokana tamin' ireo mpamokatra ny fiaraha-miasa tamin' ny Do SOL

Dingana vita

hanova

Efa maro be tsy ho voatanisa ny seho na fampisehona efa vitan' i Tovo J'Hay nandritra ny taona maro, na ny teto an-toerana na ny tany ivelany, sombiny vitsivitsy amin' ireo dingana efa vita mety nanamarika ny lalana.

  • Voasonia ny fifanarahana tamin' ny trano mpamokatra Do SOL
  • Fanodonana voalohany ny Clip "Mbola hafa"
  • Fivoahan'ny raki-kira "Satry foana"
  • Fandraisana anjara "Fanta Hit Parade" Palais des Sports, HIT Parade Malagasy Antsahamanitra,
  • Voasa manokana niraka tamin' ny tarika 'Zay tao Antsahamanitra
  • Seho niarahana tamin' ny STAR, Gare soarano
  • Fisehona voalohany tany Toamasina "Soavita"
  • Seho maherin' ny 25 sy fitetezam-paritany maro niarahana tamin' ny "Rakotra Artistes", "Fitiavana Marina", notarihin' i Doudou Michel
  • Seho voalohany Tovo J'Hay sy ny Tarika ZAY Antsahamanitra
  • Fivoahan'ny raki-kira "Teny mamy"
  • Concert, seho irery voalohany amin' ny maha Tovo J'Hay tao Antsahamanitra,
  • Fandraisana anjara voalohany tao anatin' ny "Tana in Love"
  • Fivoahana valohany tany ivelany, concert niarahana tamin' i Jaojoby sy Unik France
  • Concert Tovo J'Hay, Zay, Nanie, AmbondronA, Antsahamanitra,
  • "Che Bel Canto I": Tovo J'Hay niarahana tamin' i Bodo (mpihira), Poopy, Malala, Nanie, Lalie, "Rah toa ianao ka tia Mozika", Media consulting
  • Concert voalohany tany Antsirabe, St Joseph
  • Concert voalohany Mahajanga, Maison de la culture
  • Concert Tovo J'Hay voalohany niarahana tamin' ny Loko Do SOL Antsahamanitra
  • Concert fiarahana voalohany, Tovo J'Hay, Ambondrona Antsahamanitra, Loko Do Sol
  • Concert "Che Bel Canto" indroa nisesy niaraka tamin' ny Pazzapa, Aina, Tosy, Sitraka, Francia, Henintsoa, Hents, Palais des Sports
  • Fisehona voalohany Tovo J'Hay tany Toliara, Soavinandrina, Ambositra, Ambatondrazaka sns...
  • Tournée nationale, "Teny Mamy Tour"
  • Festival natao voalohany Fianarantsoa.
  • Concert Y4 Anyah Spydee, Joy K
  • Fivoahan' ny raki-kira "Tia t'koa"
  • Concert "5ème anniversaire Tovo J'Hay" Palais des Sports
  • 5 ème Anniversaire Cabaret Carlton
  • Fermeture "5ème anniversaire" Antsahamanitra niaraka tamin' ny namana mpihira rehetra. Rija Ramanantoanina, Mahery, Luc, bodo, Poopy, aina Joy K, Nary, Kiady, Rado, Nanie, Lalie
  • Concert voalohany Tovo J'Hay niarahana tamin' i Poopy, Palais des Sports
  • Tournée "Che bel Canto" tany Eorôpa (Frantsa, Soisa, ...)
  • Tournée Accoustique, Cabaret Antananarivo sy ny provinces
  • Ray mpiahy Pazzapa VI, namorona ny hira faneva "Tsaroanay foana"
  • Fivoahan'ny raki-kira "Tsy misy toa anao"
  • "Tsy misy toa anao tour" Tournée Nationale
  • Loko DO SOL Antsahamanitra,
  • Concert Palais des sports Media Consulting.
  • Nanomboka miditra no mamorona hira ho an'ny Artiste Hafa koa i Tovo J'Hay: Anisany izany Bodo, Joy K, Nanie, Tiji, Poon, sns.....
  • Concert Tovo J'hay voalohany nirahana tamin Mada pro. Palais des sports, O Zoma!
  • O zoma tournée nationale

Fivoahan'ny Raki-kira "Antsika roa irery"

  • Tournée Europe, France suisse , Berlin, Canada
  • Tournée niaraka tamin'ny Féstival DONIA, Antsohihy, Abanja, Diego, Nosy Be
  • Concert "Mitsangana Mitraka" niraka tamin' i Shyn, Tosy, Denyz, Tovo J'Hay Antsahamanitra
  • Concert Tovo J'Hay , Bodo Carlton, nisy tamin'izany ny fivoahan'ny hira "Eritrereto Ihany" (duo Bodo & Tovo J"hay)
  • Fivoahan' ny raki-kira "Angolanao"
  • Concert Tovo J'Hay: fiverenana an-tsehatra indray tao Antsahamanitra niaraka tamin' i Dream'in
  • Concert Tovo J'Hay CC Esca niaraka tamin' ny Miritsoka Pro
  • Tournée Madagascar
  • Tournée Etas-Unis
  • Concert Arena Ivandry
  • Tournée Madagascar
  • Tournée Europe ( France ,Suisse)
  • Concert Palais des Sports (Tovo J'Hay, Mirado,)
  • Fanombohana ny fiaraha-miasa miaraka amin' ny IVENCO
  • Concert Tovo J'Hay PLAZA Ampefiloha
  • Concert La Réunion
  • Cabaret Tour Mada.
  • Fidirana tao anatin' ny Label Nudacy Records (Distributeur Digital)
  • Fampisehoana an-tsehatra (Cabaret - Concert) fitetezam-paritra Madagascar
  • Namoaka Lohateny Singa ("Toa azy")
  • Fampisehoana maro.
  • Namoka ny loha-teny singa ("D'Efa tia")
  • Fiaraha-miasa tamin' ny Kolo Concept, narahana fampisehona Grand Cabaret tao amin'ny Ibis

Raki-kira

hanova
Satry foana (2001)
hanova

*Version physique

  1. Naleoko izy ho any
  2. Ho avy any aho
  3. Lazao azy
  4. Teo foana
  5. Niandry
  6. Hainao atao
  7. Satry foana
  8. Mbola hafa
  9. Samy tia
  10. Ho ahy sy ho anao

*Version streaming

  1. Hainao atao
  2. Ho ahy sy ho anao
  3. Ho avy any aho
  4. Lazao azy
  5. Mbola hafa
  6. Naleoko izy ho an
  7. Niandry
  8. Samy tia
  9. Satry foana
  10. Teo foana
Teny Mamy (2002)
hanova

*Version Physique

  1. Hitalahoako
  2. Mba Lazao
  3. Teny mamy
  4. Tsy afa-mandao
  5. Te mba ho....
  6. Avia fa
  7. Tsy mbola misy aloha
  8. Zay sisa
  9. Vanona
  10. Ndao Mba

*Version streaming

  1. Avia Fa!
  2. Hitalahoako
  3. Mba lazao
  4. Ndao mba
  5. Te mba ho
  6. Teny mamy
  7. Tsy afa-mandao
  8. Tsy mbola misy aloha
  9. Vanona
  10. Zay sisa
Tia T'Koa (2004)
hanova

*Version Physique

  1. Aza avela
  2. Isik'ireo
  3. Tamberina
  4. Nofy Lalina
  5. Anio
  6. Tia t'koa
  7. Ray, roa, telo
  8. Lafatra
  9. Dia lasa
  10. Mitempo foana

*Version Streaming

  1. Anio
  2. Aza avela
  3. Dia lasa
  4. Isik'reo
  5. Lafatra
  6. Mitempo foana
  7. Nofy lalina
  8. Ray roa telo
  9. Tamberina
  10. Tia t'koa
Tsy misy toa anao (2006)
hanova

*Version Physique

  1. Tsy misy toa anao
  2. Rendez vous
  3. Hatreto ihany
  4. Efa Jamba
  5. Fihin-tananao
  6. Dia eto indray
  7. R'eny
  8. Tampoka avy teo
  9. R'eny (feat Anyah)

*Version streaming

  1. D'efa samy teo
  2. Efa jamba
  3. Fihin-tananao
  4. Hatreto ihany
  5. 'lay rendez-vous
  6. R'eny
  7. Tampoka avy teo
  8. Tsy misy toa anao
  9. R'eny (feat Anyah)
Antsika roa irery (2009)
hanova

*Version Physique

  1. Tsy ho haiko irery
  2. Nifampiantso
  3. Romotra Fitria
  4. Firifiry
  5. Antsika roa irery
  6. Tsaroanay foana
  7. Hirao tsotra
  8. Tonga dia Babo
  9. Ho anjarako
  10. O! Zoma

*Version straming

  1. Firifiry
  2. Tonga dia babo
  3. Tsy haiko irery
  4. Hirao tsotra
  5. Romotra fitia
  6. Hirao tsotra (feat Tosy)
  7. Tiavo
  8. O! Zoma
  9. Nifampiantso
  10. Tsaroanay foana
  11. Antsika roa irery
  12. Ho anjarako
Angolanao (2015)
hanova
  1. Angolanao
  2. Ilay takariva
  3. Izy ilay mahagaga
  4. Mahatsiaro tsy ampy anao
  5. Manombok'eto
  6. Miverina eto amiko ihany
  7. Ry zareo
  8. Tsy niriany
  9. Toa maika ery
  10. Tsy hanaiky intsony

The Best of Tovo J'hay en Live (2020)

  1. Romotra fitia
  2. Mbola hafa
  3. Lafatra
  4. Tsy misy toa anao
  5. Ndao mba
  6. Ho avy any aho
  7. Angolanao
  8. Fihin-tananao
  9. Tsy afa mandao
  10. Zoma
  11. Satry foana
  12. Tia t’koa
  13. Samy tia
  14. Hatreto ihany
  15. Miverina eto amiko ihany
  16. Te mba ho
  17. Lazao azy
  18. Teny mamy
  19. Ho anjarako
  20. Tsy hanaiky intsony
  21. Antsiaka roa irery
  22. Zay sisa
  23. Niandry, Ray roa telo

Raki-tsary

hanova
Best of Tovo J'hay, Vol 1, VCD (2010)
hanova
  1. O zoma,
  2. Tampoka avy teo
  3. Ho anjarako
  4. Ilay rendez-vous
  5. Fihin-tananao
  6. Te Mba ho
  7. Romotra fitia
  8. Tsy misy toa anao
  9. Hatreto ihany
  10. Ndao mba hiaraka

(Mada Prod/Sm Prod. Super Music Prod)

Tantara an-koronan-tsary

hanova

Efa hita tao anatin' ny filalaovana horonan-tsary ihany koa i Tovo J'Hay. "Boky Mainty" niarahana tamin' ny Avoko Production tamin' ny taona 2002: film mampatahotra (Horreur) raha fintinina, Rôle principal no endrika nisehoany. "Fiainan'izany", horonan-tsary faharoa nahitana azy, izay niarahana tamin' i Light Production.

Mari-pankasitrahana

hanova
  • Artiste de l'année 2003 Midi Madagascar
  • Meilleur Ballade "Tia'Koa" RDJ Mozika 2004
  • Artiste le plus Sexy RDJ Mozika 2005
  • Trophée Mozika Dance "Romotra Fitia" RDJ Mozika 2008
  • Trophée RDJ Mozika: Chill Masculin 2022

Mpiara-miasa akaiky

hanova

Betsaka ireo artistes efa niara-niasa na niara-nilalao tamin' i Tovo J'Hay tao anatin' ny mozika

  • Ny Eja, pôety nanoratra ny "Teny mamy", "Fihin-tananao", "Aza avela", "Tampoka avy teo", "Antsika roa irery".
  • I Haingo, izay namorona ny "Vanona" (tonony sy feony)
  • Aro, namorona ny "Mbola hafa", "Lazao azy", "Teo Foana"
  • Bessa, namorona ny "Hainao ho atao"
  • Jhon Oabmar, namorona ny "Tsy niriany"

Maro be ihany koa ireo mpitendry (musiciens) mety tsy ho voatanisa eto daholo fa hialan-tsiny, izay niaraka namindra tamin' i Tovo J'Hay teny an-dalana teny: anisan' izany:

  • Rivo kely, Samy Andriamanoro, Daddy, Solofo bota, Mickael Randrianarisolo, Lanto, Mickael Andriamasindrazana, (hita teo amin' ny vata clavier)
  • Thierry Jack, Ra-Danz, Mamy Tiana, Mino, Philippe, Mika kely, (hita teo amin' ny gitara beso)
  • By, Manitra, Andry Blues, Fetra Kely (gitara solo sy accoustique)
  • Nins, Naly, Mendrika,Tax, Eric,Rajo, Andry Sylvano,Titan, Zo Nirina (hita teo amin' ny amponga maro anaka na batterie)
  • Tity, Hasina (hita teo amin' ny sax)
  • Bim (hita teo amin' ny percu)
  • Tahiana, Njaka, Vola, Narindra, Tony, Nathalie, Njara, Miora, Aina, Lalaina, Mahaliana, Sarah, Helisoa, Nancy, Joely, Sonia (hita teo amin' ny feo lafika na Choeur)
  • Tao ihany koa ny mpandihy izay nisy an' i Dihvin sns......

Fiainany manokana

hanova

Manambady ara-dalana ary mana-janaka telo izy. Tamin' ny taona 2000 i Tovo J'Hay sy i Valerie no natao ara-dalana ny fanambadiana na dia efa niaraka nandritra ny fito taona talohan' izay aza ry zareo, ary nomeny anarana hoe Jhemy sy Miangoty ary Keyo ny zanaky ry zareo.

Ny hira nisongadina

hanova

Niandry

hanova

Tonony sy feony: Tovo J'Hay, anisan' ireo hira nosoratan' i Tovo voalohany niaraka tamin' ny "Naleoko izy ho any", sy "Ho ahy sy ho anao", duo miaraka amin' i Lova Rakoto, Nanomboka teo no niainga ny famoronana, tsotra ny tonony, tsotra ny mozika, sary iray tsy hadino ho an' izay nahita azy teny am-boalohany, somary lavalava volo nitendry pianô raha nahatadidy tamin' izany isika.

Satry foana

hanova

Hira iray mora hiraina, mora tononina, gadona tsy dia faheno loatra, lasa lohatenin-draki-kira voalohany navoaka ny taona 2001 tao amin' ny Do Sol mihintsy aza.

Mbola hafa

hanova

Tonony sy feony: Aro, nifanojo ny tadi-dokanga satria dia i Tovo J'Hay no nametrahan'i Aaro ny fitokisana fa afaka ny hamoaka ny hira izay noforoniny izay tiany indrindra tamin' izany andro izany. Anisan' ireo hira nametraka an' i Tovo J'Hay kosa nefa ny "Mbola hafa" ho amin' ny toerana tsaratsara kokoa.

Samy Tia

hanova

Gadona: latino dance, Hira iray manaporofo fa afaka milalao gadona hafa i Tovo J'Hay fa tsy voafehy na voafaritry ny taranja iray fotsiny.

Teny Mamy

hanova

Hira nosoratan' i Ny Eja ny tonony, mozika feno fanahy, hira manome fanantenana ho an' ireo mahatsapa fa mitepo fitiavana, hira tsy mety maty handalovan' ny vanim-potoana rehetra, ity hira ity no hira nampitombo haingana sy vao mainka nametraka ny lazan' i Tovo J'Hay. Concert niarahana tamin' ny tarika 'Zay tao Antsahamanitra no nanatsidika azy voalohany, tonga dia voaray avy ahatrany. Anisan' ny hiran' i Tovo J'Hay izay nijanona ela indrindra tamin' ny Hit Parade teny amin' ny ojam-peo isan-karazany.

Te mba ho

hanova

Tsy misy tsy mahalala fa i Tovo J'Hay dia hita matetika eny amin' ny fanokafana fetim-panambadiana (na ouverture mariage). Hita soritra eny amin' ity hira ity araka ny raki-tsary izany.

Ndao mba

hanova

Hira manamarika firaisan-kina sy fihavanana, teny am-piandohana dia niarahan' i Tovo J'Hay, Samoela, Unik, sy artiste hafa tamin' ny evenement tao Rado Televiziona Analamanga tany amin' ny taona 2003 tany ho any, izy no nanoratra ny tonony sy ny feony.

Lazao azy

hanova

Ny akabeazan' ny hiran' i Tovo J'Hay dia hira tsy mba nasiana raki-tsary (clip) tsy mba natao dridrangilo (mattraquage) teny amin' ny haino aman-jery samihafa, indrindra ireo hira taloha nampalaza azy. toy ry "Teny Mamy", "Tsy afa mandao", "Tia Tkoa", "Vanona", "Avia fa", "Tamberina" sns. Kanefa, rehefa misy ny fampisehona dia tsy misaraka ary tsy manaiky ny olona raha tsy atao indrindra i "Lazao azy", naman' ny tsy nahita Tovo J'Hay rehefa tsy atao io hira io.

Avia fa

hanova

Gadona iray manana endrika Pop Rock, mora henoina, nefa azo ovaina amin' ny endrika samy hafa, manaporofo an' izany ny fampiaraham-peo nataon' i "Raboussa" sy "Isa roa Telo" niarahany tamin' ny Tovo J'Hay tamin' ny fandaharana iray tao amin' ny RTA, endrika hafa vaovao no nitondran-dry zareo azy kanefa tsy nampoizina ny fivoakan' ilay hira.

Raha tia mozika

hanova

Fampiaraham-peo amin' i Bodo, Nanie, Poopy, Malala, Lalie, Che Bel Canto. Hira tsotra mora hiraina, hira matetika hita eny amin' ny Karaoke fanaon' ny olona, toy izay koa i "Babo" duo miaraka amin' i Aina.

Tia t'Koa

hanova

Hira nanamarina ary koa vao maika nanamafy ny lazany aorian' ny "Teny mamy" fa mbola mahay mamorona ary lary tsy lany aingam-panahy i Tovo J'Hay. Hita soritra amin' ity hira ity amin' ny alalan' ny angolany izany. Miampita haingana ilay fihetseham-po rehefa mihaino azy.

Tamberina

hanova

Tia ny tanindrazany i Tovo J'Hay. Rehefa nanontaniana izy na koa heno amin' ny interview izay nataony isan-karazany dia tany ivelan' i Madagasikara no namoronany azy. Hita soritra ihany izany rehefa mihaino ny tonony. Hafa ihany hoy izy ny tany niaviana.

Tsy mbola nisy

hanova

Gadona hafa fitepo, gadona tsy dia faheno loatra ihany koa, gadona iray mety nahatonga ny olona hilaza angamba fa mpiangaly ny gadona Rn'B i Tovo J'Hay. Tsy dia misy ifandraisany loatra anefa fa aingam-panahy miala amin' ny andavan' andro fotsiny ihany. Hira anisan' ny ela indrindra ny namoronany azy satria dia nipetraka ho amam-bolana maro mihintsy vao vita ilay hira.

Efa Jamba

hanova

Ity hira ity indray dia hira mifanohitra amin' ilay tetsy ambony. Fotoana vitsy fotsiny, mba tsy hilazana hoe tsy misy ora iray akory, no nahavitan' ny "Efa Jamba", araka ny filazany. Ny tonony sy ny feony io. Nefa tsy dia tsapa loatra izay raha mihaino an' ilay hira, satria voarindra tsara ny rehetra

Hatreto ihany

hanova

Slow, Ballade, sy izay fomba ilazana azy, fa ny manamarika azy dia ny firaiketany ilay mozika avy hatrany no miditra lalina any anaty fo rehefa mihaino azy. Anisany ny hira tiany amin' ireo hira noforoniny ny mihira ny "Hatreto ihany".

Aza avela

hanova

Tonony: Ny Eja angolam-pivavahana. Ny tiana ho marihina fotsiny eto dia i Tovo J'Hay dia olona mivavaka ary mahatsiaro fa misy ny fahasamihafana eo amin' ny fiainana andavanandro, ka ny fifanomezan-tanana sy ny fifankatiavana noho izay fahasamihafana izay no tiana tsindriana amin' ilay hira.

Tsy misy toa anao

hanova

Rehefa mitia ny olona iray dia mila mahalala sy mahafantatra fa tokana ny fitiavana fa tsy zaraina, indrindra fa eo amin' izay anjara nomen' Andriamanitra ary tsindriany tsara izay. Hira iray nosoratany ka natolony ny vadiny ny "Tsy misy toa anao". Hay ve ka manoratra hira mba niainany koa i Tovo J'Hay e?

Fihin-tananao

hanova

Voafehy ao anatin' ity hira iray nosoratan' i Ny Eja ity ny fitiavana rehetra. Na fitian-janaka izany, na ftiavana eo amin' ny mpifankatia izany, na koa zanaka sy Ray amn-dreny, eny fa na dia fitiavana avy amin' ny Nahary aza.

Antsika roa irery

hanova

Trangam-piainana misy eo amin' ny maha olombelona no tantarain' i Ny Eja. Fiainan' ny namana iray akaikin' i Tovo J'Hay no nontantaraina ao anatin' ilay hira.

Romotra Fitia

hanova

Hafa kely raha ity hira ity no resahina, Sofiny samy hafa ary miavaka tsara ny mandray azy. Ny mahagaga dia somary ny mpakafy Tovo J'Hay any anstisin-tany "province" no tena mandray sy be mankafy azy tanteraka. Ny tao Antananarivo indray aza no somary nanilika ny "Romotra Fitia" raha ny fahitana azy. Raha nanontaniana i Tovo J'Hay dia tsotra ny namaliany azy: "Hira ho an' ny Malagasy". Na dia niezaka ihany aza nametraka sonia i Tovo J'Hay tao anatin' ilay hira dia betsaka no nilaza fa niova famindra i Tovo J'Hay, ka nanjary nametra-panontaniana ny mpakafy azy tao ampivoan-tany.

O zoma

hanova

"Antsika roa irery" ny raki-kira misy azy. Hira hakana ambiance ozy ny fiteny. Na dia vao manomboka aza ny seho dia misy foana ny mikikiaka hoe "O zoma" atao. Asa re no mahatonga an' izay?

Ho anjarako

hanova

Hita soritra amin' ity hira ity fa miditra lalina ary miha matotra kokoa hatrany ny fomba fanoratra, safidy ilay izy, hoy izy. Hany ka na somary ela aza ny fandraisana azy am-boalohany, dia mateza ary miraikitra tsy miala ao anaty rehefa tafiditra. Tonony sy feony: Tovo J'Hay

Angolanao

hanova

Aingam-panahy nifanena tao anatin' ny mpakafy sy Tovo J'Hay, Hira niainany amin' ny zavatra hita isan' andro no tantarainy ao anatiny. Hira tao anatin' ny Raki-kira farany navoakany.

Rohy ivelany

hanova