Ny Eja

dia mpanakanto vao misondrotra eo amin'ny sehatry ny literatiora

Lohateny anankiray hanova

Ny Eja, na Solonomenjanahary Ranivoarisoa Eugénie dia mpanakanto vao misondrotra eo amin'ny sehatry ny literatiora. Ny Eja dia midika ny haingo sy ny hatsarana

Mpanoratra ny raibeny : Itompokolahy Rakoto Paul.

Tia manao sary sy maka sary ary manoratra koa ny rainy, Itompokolahy Rakoto Léonard.

Mpanoratra tononkalo sy hira mbola hirain'ny tily ny anadahin-dreniny, Max Géo Lili, sady sakaizan'i Dox fony fahavelony.

Tany Antsiranana no nanombohan'i Ny Eja ny sekoly, izay notohizany teny amin'ny sekoly Maria Mpanampy tao Antananarivo. Nandia ny sekoly ambaratonga manokana teny Ampefiloha izy talohan'ny nandalinany ny fianarana sampana Lalàna teny amin'ny anjerimanontolo teny Ankatso. Nianarany manokana ihany koa ny Fizahantany ary nanao ny fianarana serasera tamin'ny sekoly iray tsy miankina izy. Ankoatra ny poezia dia tia manoratra tantara kely ho an'ny ankizy koa Ny Eja ary manokana ny tsangan'asany betsaka ho an'ny ankizy anisan'izany ny fitantarana angano, famoronana kilalao ho an'ny ankizy . Nahafantaran'ny Olona azy ny tononkira nosoratany ho an'i Tovo J'Hay "Teny Mamy" ,"Fihin-tananao"