Testamentan' i Adama

Ny Testamentan' i Adama dia asasoratra pseodepigrafa kristianan' ny Testamenta Taloha nosoratana tamin' ny taonjato faha-2 ka hatramin' ny faha-5 taor. J.K., izay mety ho noforonina tao anatin' ireo fiangonana tany Siria.

Ity boky ity dia mitatitra ny teny farany nataon' i Adama tamin' i Seta zanany; noraketin' i Seta ilay Testamenta ary avy eo dia naleviny anaty lava-bato misy harena. I Adama dia miresaka momba ny vavaka sy momba ny ampahany amin' ny zavaboary izay midera an' Andriamanitra isan' ora isan' andro; avy eo izy dia naminany ny fiavian' ny Mesia sy ny Safodrano lehibe; ary farany dia nomena ny famariparitana ny ambaratongan' anjely any an-danitra.

Azo inoana fa tamin' ny teny siriaka no nanoratana an' ilay asasoratra tany am-boalohany. Misy sora-tanana amin' ny teny siriaka, arabo, garsony, etiôpika, armeniana, jeôrjiana, ary grika. Ny sora-tanana tranainy indrindra sisa tavela dia tamin' ny taonjato faha-9, ary toa misy fanavaozana lehibe telo amin' ilay lahatsoratra.