Ny Tema na Kôtôkôly dia vahoaka aty Afrika Andrefana monina indrindra any afovoan' i Tôgô, any Ganà sy any Benîno ary any Borkina Fasô. Any Borkina Fasô no fiavoan' ny Tema, niorim-ponenana teo akaikin' ny Volta Blanche na (na Nakambé) izy ireo talohan' ny nifindrany nankany Tôgô sy Benîno. Ny Tema dia miteny amin' ny karazana fiteny gora. Nandritra ny taonjato maro dia nisy Haosa avy any Nizera, sy Mandinga avy amin' ny tanin' ny Iôroba sns izay niditra ho anisan' ny vahoaka Tema.

Mpitaingin-tsoavaly tema any Sokodé (Tôgô).