I Volta Blanche (antsoina hoe Nakembé na Nakambé any Borkina Fasô) dia renirano any Afrika Andrefana izay mamakivaky an' i Borkina Fasô sy i Ganà.

I Volta Blache amin' ny fotoan' ny main-tany
Ny ony Volta sy ny renirano Volta Noire (na Mouhoun) sy Volta Blanche (na Nakambé) ary Volta Rouge (na Nazinon) ary ny firenena lalovany sy manodidina azy

Talohan' ny nanorenana ny tohodranon' i Akosombo, ny ony Volta dia niainga avy amin' ny fihaonan' i Volta Blanche sy i Volta Noire. Io teram-pihaonana io dia difotry ny farihy Volta ankehitriny, izay ivarinan’ i Volta Blanche sy i Volta Noire.

I Volta Blanche dia manome rano fisotro lehibe ho an' ny vahoaka maro manamorona azy. Izany koa dia miteraka tondra-drano isan-taona ho an' ny maro amin' ny mponina manamorona azy.

Jereo koa hanova