Tanjona Masoala
Ny Tanjona Masoala na Tanjon' i Masoala na Cap Masoala dia tanjona eto Madagasikara, ary amin' ny faritra atsimo-andrefan' ny Ranomasimbe Indianina. Tendron' ny saikinosy iray antsoina hoe Saikinosy Masoala, izay manamarika ny fetra avaratra-atsinanan' ny helodranon' i Antongila, helodrano lehibe eto amin' ny Nosy. Io tanjona io no faritra atsinanana indrindra eto Madagasikara.
Jereo koa
hanova- Tanjona Bobaomby (Cap d'Ambre)
- Tanjona Belao (Cap Bellone)
- Tanjona Masoala (Cap Masoala)
- Tanjona Vilanandro (Cap Saint-André)
- Tanjona Vohimena (Cap Sainte-Marie)